• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Faly_Rabenaivo
Image
Vaovao

Faritra Vatovavy : Distrika telo no hisitraka toeram-pivarotana

03/08/2023 14:00 © Moov.Mg

Sosialy : Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ny vato fototra ho fananganana toera-mpivarota ao Tanambao Mananjary.

Fampandrosoana ny tanàna

Tao Tanambao Mananjary no nanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny fametrahana ny toeram-pivarotana ho an’ny faritra Vatovavy. Tsy i Mananjary irery anefa no hisitraka izao foto-drafitrasa izao, fa hisy ihany koa ny fananganana toeram-pivarotana any amin’ny distrikan’i Manakara sy Farafangana. Izany hoe distrika telo, raha ny marimarina kokoa, no hahazo tombotsoa amin’ity tetikasa ity.
Izao no tontosa dia vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny OIM sy ny firenena Japonais. Ity farany, noho izany, no mamatsy vola izao tetikasa izao.Tanjona amin’ny fananganana foto-drafitrasa toa izao tokoa ny hitondrana fampandrosoana ho an’ireo toerana izay misitraka izany. Hanamora ny fifanakalozana eo amin’ireo mpivarotra sy mpividy ny vokatra ihany koa ny fisian’izany. Aorian’ny fitsanganan’ireo tsena dia heverina hiroborobo ny sehatry ny varotra sy ny fanomezan-dànja ny vokatra eo an-toerana ho an’i Manakara, Mananjary sy Farafangana.

Olona an’arivony maro no hisitraka

Vinavinaina ho vita afaka roa volana eo ny asa fananganana ity toeram-pivarotana ao Mananjary, izay vao nametrahana ny vato fototra ity. Olona 5 000 eo ho eo no hahazo tombony amin’izao tetikasa izao. Tsy ho ela noho izany dia afaka hisitraka ny tombotsoa azo avy amin’ny tetikasa izy ireo ary afaka hivarotra eny amin’ireo tsena izay hatsangana.
Fantatra ihany koa fa ny 4 000 amin’ireo 5 000 hisitraka ny fotodrafitrasa dia olona voatery nifindra monina noho ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai sy Emnati avokoa. Ny 1 000 ambiny kosa dia olona avy eo an-toerana ihany. Mbola hisy kosa anefa ny fanivanana ireo olona hisitraka izay ho tanterahan’ny ministeran’ny Mponina sy ny tompon’andraikitra any an-toerana ary ny OIM.
Inoana hanampy ireo olona ireo hiarina amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena ny fanatanterahana izao fananganana tsena izao. Ity farany moa dia tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny tetikasa SOREBE.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo