• Cours de change
  • 4737.31 AR
  • |
  • $4420.49 AR
Copyright Image : © Tarbet7.Fr
Image
Vaovao

Toetry ny ranomasina : Fampitandremana miloko mena ho an’ny faritra Atsinanana

07/08/2023 14:58 © Moov.Mg

Hikorontana ny teotry ny andro an-dranomasina amin’iny morontsiraka Atsiananan’ny Nosy iray manontolo iny nanomboka anio tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro, araka ny vaovao navoakan’ny foibe famantarana ny toetrandro.

Loza ahiana

Araka ny fanazavana netin’ny foibe famantatrana ny toetrandro hatrany dia ny alondrano ateraky ny varatraza no miteraka izany fikorontanan’ny andro an-dranomasina izany, amin’iny ilan’ny Atsinanan’ny Nosy iray manontolo iny. Hanonja be na hahery ny ranomasina araka izany, nanomboka anio tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro ka hatramin’ny rahampitso talata 08 Aogositra alohan’ny mitatao vovonana.
Vokatr’izany alondrano ateraky ny varatraza izany dia hanano sarotra ny fifamoivoizana an-dranomasina. Ahiana ihany koa, noho izany, ny mety ho faharendrahana an-dranomasina.

Fampitandremana miloko mena

Mihatra avy hatrany ary ny fampitandremana miloko mena manomboka any amin’ny tanjona Bobaomby hatrany Taolagnaro. Tsara ihany koa ny mampahafantatra fa mety hahatratra hatrany amin’ny 2,5 na 3 metatra any ny haavon’ny onja ao anatin’io fotoana voafarita tetsy ambony io.
Entanina ny rehetra mba hanaraka antsakany sy andavany ny toro-marika izay omen’ny manam-pahefana isan-tokony any amin’ny toerana misy azy ireo avy. Mampidi-doza tokoa ny fisian’ny fikorontanan’ny toetry ny andro an-dranomasina toa izao, satria mahery sy miakatra ny onjan’ny ranomasina. Mila mailo sy mitandrina hatrany ireo mpiandriaka an-dranomasina amin’ny fotoana toa izao. Entanina mihitsy aza izy ireo tsy hiandriaka rehefa manan-kery toa izao ny fampitandremana miloko mena mba hialana amin’ny loza mety hiseho sy ho fiarovana ny ain’izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo