• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Louisa_Randriambololonarisoa
Image
Vaovao

Mangabe – Toamasina II : Mitohy ny fanenjehana ireo malaso

07/08/2023 18:11 © Moov.Mg

Nitrangana fanafihan-dahalo mitam-piadiana tao Mangambe Toamasina II omaly 06 Aogositra. Nisy ny namoy ny ainy, ary nisy ihany koa ireo naratra.

Malaso 24 no nanafika ny tanàna

Omaly tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva teo no nitrangan’ity fanafihana feno habibiana ity. Andian-dehilahy miisa 24 no mody nilaza fa nividy omby tao amin’io tanàna io. Nolazain’izy ireo fa very ilay omby novodiana herinandro vitsivitsy lasa izay ka tonga niverina tao amin’ny tanàna nakana ny omby izy ireo sao hita ao.
Vantany vao tafiditra ny tanàna anefa ireo malaso 24 dia nanomboka nanakorontana. Nidiran’izy ireo ny tsena atao hoe Zôzô ka nakorontan’izy ireo ny tsena. Nosotroiny ny zava-pisotro hitany tao, nohaniny ny sakafo ary novonovonoiny ny tompon’ny tsena. Naratra mafy ity farany ka nentina teny amin’ny hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy.

Fakana an-keriny

Tsy ny tranom-barotra Zôzô ihany anefa no lasibatr’ireto malaso fa teo ihany koa ireo tranom-barotra hafa. Nalain’ireto farany nandritra ny fandalovany izay vola hitany tao amin’ireo tsena noteteziny. Anisan’ireo lasimbatra ihany koa ny tokatranon’ny ben’ny tanàna. Tsy tao an-trano moa ity farany nandritra ny nisehoan’ny fanafihana fa ny vadiny no tao, ka nalain’izy ireo ihany koa ny vola tao.
Ankoatra ny fanimbana fananan’olona, ny famonoana olona, ny fangalarana, dia naka ankeriny olona miisa enina ihany koa ireo malaso. Ny iray tamin’ireo nalaina an-keriny dia mpiasa tao amin’ilay tranom-barotra Zôzô. Nanomboka ny fanarahan-dia ary ireo vatan-dehilahy matanjaka tao an-tanàna rehefa nivoaka ny tanàna ireo malaso, niaraka tamin’ireo olona nalaina an-keriny.

Fitaovam-piadiana tsy mitovy

Nanano sarotra ho an’ireo vantan-dehilahy nanao fanarahan-dia ny tsy fananan’izy ireo fitaovana, satria antsy sy lefona no nentin’izy ireo niady. Nanana fitaovam-piadiana mahery vaika toa ny basy anefa, tetsy an-daniny, ireo malaso. Na dia teo aza izany anefa izany dia tafaverina soa amantsara ihany ireo olona nalaina an-keriny. Nisy iray naratra ihany koa tamin’ireo malaso ka nanamora ny fanarahana azy ireo.
Manoloana ny fahasarotan’ny fanarahan-dia, noho ny tsy fahampian’ny fitaovam-piadiana nentin’ireo vatan-dehllahy matanjaka tao amin’ny tanàna, dia nanao antso avo ny solombavam-bahoaa lany tany an-toerana, ROILAHY Jona. Nangataka ny handefasana angidim-by ity farany mba hanamorana ny fanenjehana ireo malaso. Mbola mitohy, araka izany, ny fanenjehana ireo nahavanon-doza.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo