• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Jono madinika : Manamafy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

08/08/2023 15:01 © Moov.Mg

Anisan’ny sehatra manampy amin’ny fiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny fampitomboana ny vokatry ny hazandrano.

Sehatra iray lehibe mila trandrahana sy atosika eto Madagasikara ny jono araka izany.

Atrikasa naharitra roa andro

Tanterahana etsy Ambodivona, nanomboka omaly ka mitohy androany, ny atrikasa miompana amin’ny fankatoavana ny Drafitrasa nasionaly momba ny Jono madinika eto Madagasikara na ny « Plan d’action nationale de la petite pêche ». Marihina fa ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena manga no mikarakara io atrikasa io. Ny FAO, na ny Fikambanana momba ny sakafo sy ny fambolena, kosa no mamatsy vola izany.

Ny fampiharana ny toro-làlana momba ny Jono madinika na ny « Small scale fisheries guideline » navoakan’ny FAO moa no antom-pisian’izao atrikasa fankatoavana ny drafitrasa izao. Efa nisy ihany koa ny fakan-kevitra teny ifotony izay natao tamin’ny faritra enina dia tsy iza fa Diana, Analanjirofo , Atsimo Atsinanana , Anosy , Menabe ary Itasy. Omen-danja amin’ny alàlan’izao atrikasa izao ireo mpisehatra ao anatin’ny jono madinika.

Fanatsarana ny fanjarian-tsakafo

Mitana anjara toerana lehibe amin’ny lafiny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo eto amin’ny Nosy ny sehatry ny Jono madinika. Mahery ny 67% ny vokatry ny hazandrano dia jifaina eto Madagasikara avokoa. Anisan’ny ady izay mbola atrehan’ny firenena tokoa ny tsy fanjarian-tsakafo, izay miteraka aretina maro ary mety hitondra hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza raha tsy misy ny fandraisana an-tànana aingana ny marary.

Nahitana fiakarany 25% ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny firenena 12 aty afrika, izay ahitana an’i Madagasikara, araka ny tatitra nataon’ny UNICEF ny volana martsa lasa teo. Manodidina ny zaza iray amin’ny dimy ihany koa no fantatra fa voakasik’izany tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. Tanjona tamin’ity atrikasa ity, araka izany, ny hampitomboana ny vokatra avy amin’ny hazan-drano mba ahafahana miady amin’izany olan’ny tsy fahampian-tsakafo izany. Mitondra otrik’aina ilain’ny vatana tokoa ireo karazana hazan-drano maro, ary afaka trandrahana tsara ihany koa amin’ny lafiny fampiroboroboana ny toekarena.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo