• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Tafika malagasy : Jerena ny hoavin’ireo tanora nahavita fanompoam-pirenena

22/08/2023 15:28 © Moov.Mg

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany, tao amin’ny Cercle Mess Soanierana, ny atrikasa handinihana ny fomba hanatsarana ny hoavin’ireo tanora nahavita fanompoam-pirenena.

Anisany teboka iray tsy dia ahenoana feo firy tokoa matetika ny momba ireo tanora izay nahavita ny fanompoam-pirenena, kanefa tsy lasa miaramila raikitra. Izany indrindra no antom-pisian’izao atrikasa izay nosokafana androany izao, ary haharitra roa andro.

Tsy fisian’ny anton’asa ho an’ireo tanora

Olana iray lehibe mbola manjaka eto amin’ny firenena ny tsy fahampian’ny asa. Maro tokoa ireo tanora nahavita fianarana no tsy manana anton’asa ary sahirana amin’ny fitadiavana asa. Anisan’ireo misedra olana amin’izany fitadiavana asa izany ireo tanora izay nahavita ny fanompoam-pirenena. Misy amin’izy ireny no tsy manana anton’asa hahafahana miavotra amin’ny fiainana rehefa vita izany fanompoam-pirenena izany.
Zazavao miisa 4 000 eo ho eo tokoa no atosika hiantsehatra ao anatin’ny tontolon’ny miaramila isan-taona. Manodidina ny 1 000 amin’ireo 4 000 nanao fanompoam-pirenena ihany anefa no lasa miaramila raikitra. Tanora manodidina ny 3 000 isan-taona izany no tsy an’asa sy sahirana amin’ny fitadiavana antom-pivelomana, raha ity tranga eo anivon’ny tafika ity fotsiny no jerena.

Fandraisana andraikitry ny ministera

Natao indrindra izao atrikasa izao mba hitadiavana vahaolana ho an’ireo zazavao manodidina ny 3 000 isa-taona, ka tsy lasa miaramila raikitra. Ny fitaleavana misahana ny Fanompoam-pirenena sy ny Fiandry (DSNGR) eo anivon’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena no mikarakara izao fivoriana izao. Nandray anjara tamin’ny fanokafana izany ny Sekretera Jeneralin’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Ramasy Razafindratovo Heritiana. Eo ihany koa ny Tale misahana ny Fanompoam-pirenena sy ny Fiandry, ny Jeneraly Raolison Robert.
Araka ny nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena dia hisy ny famelarana ny fiaraha-miasa amin’ny fiarahamonim-pirenena. Eo ihany koa ny fanatonana ireo ministera isan-karazany izay mety ho voakasik’izany fanatsarana ny fampananan’asan’ny tanora nahavita fanompoam-pirenena izany. Hanampy amin’ny fanatratraran’ny Tafika Malagasy ny tanjona tiany hapetraka ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany.
Antenaina ny hisian’ny vokatra miabo mba hampihenana ny tahan’ny tsy fananan’asa eto Madagasikara mandritra ny roa andro haharetan’ny atrikasa, hoy hatrany ny avy eo anivon’ny ministera.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo