• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

Lalaon’ny Nosy : Nahazo tsodrano sy fitaovana ireo atleta

23/08/2023 15:37 © Moov.Mg

JIOI 2023 : Nomena fitaovana hika farany avokoa androany ireo atleta hiaro ny voninahim-pirenena mandritra ny lalaon’ny Nosy. Tsy misy diso anjara na iray aza izy ireo.

Tso-drano

Tontosa androany maraina ny fihaonana teo amin’ny filoham-pirenena sy ireo atleta malagasy izay handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy. « Zava-dehibe amiko ny fihaonana aminareo, izay fotoana entina hankaherezana, entina hitsofan-drano, fa ihany koa hanolorana ny fitaovana izay ho entinareo miatrika izany », hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina raha nitodika tamin’ireo atleta nandritra ny fandraisany fitenena.
Ianareo no hiaro ny voninahi-pirenena ary ianareo no hamelona ny firaisan-kinan’ny malagasy rehetra, hoy hatrany ny filoha. Ankoatra ireo medaly izay ezahina ho rombahina mandritra ny lalao dia nampahatsiahy ny filoha fa mariky ny fandresen’i Madagasikara iray manontolo mihitsy ny ezaka goavana izay hoentin’izy ireo. Tao anatin’izany indrindra no nanamafisany fa mila miezaka araka izay azony atao ireo atleta tsirairay avy mba hahazoana vokatra tsara.
Zava-dehibe ho an’ny malagasy iray manontolo tokoa ny fitondrana avo ny voninahi-pirenena, toa izao ho ataon’ireo atleta izao. « Isaky ny dingana izay ataonareo, dia miaraka mioraka sy mintaintaina aminareo ny malagasy iray manontolo. Isaky ny miredona ny hiram-pirenena ao anatin’izany fandresena izany dia miara-mitempo ny fon’ny malagasy rehetra. » hoy i Andry Rajoelina nanamafy.

Fizarana fitaovana sy fanomezana

Anisan’ny antom-pisian’ny fotoana androany ny fizarana fitaovana ho an’ireo atleta. Tsiahivina fa ilain’izy ireo amin’ny fiatrehana ny lalaon’ny Nosy avokoa ireo fitaovana ireo. Tao ohatra ny fanomezana bicyclettes en carbone miisa 16 an’ireo atleta ao anatin’ny taranja Cyclisme. Tao ihany koa ny fauteuils roulants ho an’ireo atleta manana fahasembanana ka mandray anjara ao anatin'ny taranja Paralympique.
Nisy ihany koa ny fanomezana kimono amin’ilay kalitao anisany tsara indrindra ho an’ireo mpanao Judo sy Karate. Nahazo fitaovana feno ihany koa ireo mpikatroka ny taranja Taekwondo, izay marihina fa ny masoivohon’i Korea eto Madagasikara avokoa no niantoka azy. Tao ihany koa ny fizarana kiraro, « protection » maro isan-karazany, baolina, tenues sy ny maro hafa. Samy nahazo ny anjarany avokoa ny atleta tsirairay avy ao anatin’ireo taranja tsirairay avy.
Tsy adino ihany koa ny nanolotra fanampiana izay natao tamin’ny endrika « chèque » ho an’ireo filohan’ny Federasiona mandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy, ireo Sekretera jeneralin’ny Federasiona sy ireo mpiara-miasa amin’izy ireo.
Nandritra ny fandraisany fitenena androany dia nampahafantatra ny rehetra ihany koa ny filoha fa hitondra ny anarana Gymnase Ankoay manomboka izao ny Gymnase couvert Ankorondrano. Nisy ny asa fanavaozana izay natao ary ho tokonana tsy ho ela izany.

Fahavononana

Efa mipetrapetraka avokoa ny fanomanana ho an'ny Federasiona tsirairay. Miroso amin'ny fanazaran-tena faramparany ireo mpilalao rehetra. Tandrovina nefa ny harerahana mba tsy hanimba ny "performance" mandritra ny lalaon'ny Nosy.
Na dia ny 25 aogositra aza ny fanokafana ny lalao, ny 24 aogositra dia efa misy fifaninanana. Hifanandrina amin'i Madagasikara i Seychelles amin'ny taranja baolina kitra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo