• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Siteny Randrianasoloniaiko
Image
Vaovao

Siteny Randrianasoloniaiko : Ho kandidà ho filohampirenena 2023 ve ?

24/08/2023 05:50 © Moov.Mg

Mihava Tour : Notohizan'i Siteny Randrianasoloniaiko tao Ambositra sy Ambohimahasoa ny fitetezam-paritra. Mbola tsy nanambara ny filatsahany ho fidiana ho filoham-pirenena ny tenany hatreto.

Fihainoana vahoaka ny Mihava Tour. Mitafa sy mifanakalo hevitra amin'ireo vahoaka tsidihany i Siteny Randrianasoloniaiko ka mandray an-tsoratra ireo fitarainana isan-karazany. Olana mikasika ny fiainana andavan'andro no tena ambaran'ny olona amin'izany, toy ny fiakaran'ny vidim-piainana. "Ny fiakaran'ny vidim-piainana efa tsy zaka" hoy ny renim-pianakaviana iray tena sahirana tao Ambositra.
Misy nefa ireo vahaolana efa atsipitsipin'i Siteny, arakaraka ny fifanakalozan-kevitra misy. Natsidiny ohatra ny hoe "mila fanavaozana tanteraka ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara". Aminy mantsy, mbola "décentralisation" sarintsariny ny ampiharin'i Andry Rajoelina na misy aza ny fitsinjovana manokana ireo kaominina sy ireo tompon'andraikitra eny ifotony. Na izany aza, tsy mbola misy programan'asa mazava ny amin'ny hitantanany ny firenena raha toa ka mandray ny fitondrana ny tenany.

Ho kandidà ho filohampirenena 2023 ?

Araka ny efa nambarany, amin'ny faran'ity volana aogositra ity i Siteny Randrianasoloniaiko vao hanao fanambarana mikasika ny fifidianana filohampirenena 2023. Ho fantatra amin'izany raha ho kandida ny tenany na tsia. Tsiahivina moa fa vao herinandro izay no nahalaniany ho sekretera nasionalin'ny antoko politika PSD. Raha ny hetsika rehetra ataony hatreto dia manambara avokoa fa te handrombaka ny lakilen'Iavoloha ny tenany. "Tsy mitsapatsapa isika raha, hanangana ity firenena ity fa manao zavatra "sûr" azo antoka", hoy izy tao Ambohimahasoa.
Andrasana araka izany izay tena fanapahan-keviny, indrindra moa fa efa misokatra ny fametrahana antontan-taratasy ho an'ireo maniry hilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo