• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Areion24.News
Image
Vaovao

Varotra : Ho tsirihana ny politika ara-barotr’i Madagasikara

24/08/2023 08:15 © Moov.Mg

Tsy ho ela dia hanomboka ny fitsirihana andiany fahaefatra ny politika ara-barotr’i Madagasikara. Tontosa tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity ny fanomanana izany.

Fanomanana ny fitsirihana

Toa ny fanao mahazatra dia ny Vondrona iraisam-pirenena ho an’ny varotra na ny OMC no hanatanteraka izany fitsirihana izany. Ho jeren’ireo firenena mpikambana rehetra ao anatin’nity vondrona ity, araka izany, ny politika ara-barotra manankery eto Madagasikara.
Tsy ny fanjakana foibe ihany no mitana anjara toerana amin’ny fanomanana izany fitsirihana izany, fa ao ihany koa ireo sehatra tsy miankina. Nandray anjara tamin’ny fivoriana, izay miompana amin’ny fanomanana ny fitsirihana ny politika ara-barotra eto an-toerana, ny avy eo amin’ny sehatra tsy miankina. Teo ihany koa ireo sampandraharaham-panjakana samihafa, fa indrindra ireo voakasiky ny politika ara-barotra.
Tsara ny manamarika fa anisan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana izany fanomanana izany ny PNUD. Ny ministera mpiahy kosa no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fandrindrana ireo asa ho tanterahana mialoha sy mandritra ity fitsirihana ny politika ara-barotra ity.

Fametrahana ny mangarahara

Zava-dehibe ho an’ny fampivoarana ny sehatry ny varotra ny fisian’izao fitsirihana ny politika ara-barotra izao. Tanjona voalohany amin’izany manko ny hitandroana ny mangarahara ao anatin’io sehatry ny varotra io. Manana zo ny hahafantatra amin’ny antsipirihany ny mahakasika ireo fepetra ara-barotra mifehy ny sehatra tokoa ireo rehetra izay misehatra ao anatin’izany. Tanjon’ireo firenena mpikambana ao amin’ny OMC mandritra ity fitsirihana ity ary ny fiantohana ny fisian’ny mangarahara eo amin’ireo lalàna sy politika mifehy ny varotra eto Madagasikara.
Ankoatra ity fitsirihana izay ho ataon’ny OMC ity dia natao nandritra ny fivoriana ihany koa ny fampahafantarana ny Fihaonambe ministerialy andiany faha-13 izay ho atao amin’ny taona ho avy. Nandritra izany dia nangataka fivoriana manokana ho an’ny resaka EPC sy io fihaonambe io ireo sehatra tsy miankina. Nangataka ny hisian’ny fivoriana mba hiresahana ny fifanarahana amin’ny OMC mikasika ny jono ihany koa ny avy eo amin’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.
Ny fitsirihana mahakasika ny politika ara-barotra izay fataon’ny OMC dia fomba iray hanatsarana hatrany ny toeran’ny mangarahara eo amin’ity sehatra ity. Fomba iray hahafahana mampivoatra ny sehatra ihany koa izany, fa indrindra indrindra hanatsarana ny fandrosoana ara-ekonomika eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo