• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Festival Somaroho 2023 : 27.416 ireo olona nifamezivezy an-dranomasina

24/08/2023 11:20 © Moov.Mg

Miisa 27.416 ireo olona nifamezivezy an-dranomasina nandritry ny "Festival Somaroho" 2023 niainga teo amin'ny Seranantsambon'Ankify, Nosy Be Hell-Ville, Ambatoloaka ary Ambondrona, araka ny tarehimariky ny APMF.

Fahombiazana tanteraka no azo ilazana ny andiany faha-10n'ny Festival Somaroho. Raha ireo olona nanoratra anarana hiampita sambo, na hihazo an'i Nosy Be na ireo nitsidika ireo nosy manodidina, dia naherin'ny 27 000. Tsy adino nefa fa mbola nisy ireo olona nandeha fiaramanidina. Herinandro mialoha sy taorian'ny hetsika dia tsy feno tanteraka ny sidina Nosy Be # Antananarivo # Nosy Be.

Vakansy nieren-doza

Niisa 1.905 be izao ireo sambo sy vedety niasa nandritr'izany fotoana izany. Tsy nisy kosa ny loza an-dranomasina niseho satria samy nanaja ny fepetra rehetra avokoa na ireo mpitatitra na ireo mpandeha. Ny tontolo andro, nirohitra nitsidika ireo nosy manodidina ny mpivahiny : Nosy Sakatia, Nosy Iranja, Nosy Komba, Nosy Tanihely. Ny alina kosa dia niatrika ny lanonana teny amin'ny kianjan'Ambodivoanio.

Tosika ara-toe-karena

Naresaka ny tanàna nandritra ny Festival Somaroho ka nandeha avokoa na ny varotra sakafo na kojakoja ilaina andavan'andro. Nanintona ireo mpiala sasatra ny pakopako, ny brochettes sy ny lasopy teny amin'ny Bazar Kely. Nahazo tombony be ihany koa ireo mpivarotra voan-dalana, indrindra ny voankazo sy ny asa tanana malagasy. Tsy adino ireo mpitondra bajaj sy lakana izay tena niasa be, nitatitra ireo mpitsangatsangana.

Fampiroboroboana ny fizahan-tany

Any Nosy Be no misy ny tora-pasika anisan'ny tsara indrindra eto Madagasikara. Ny any Nosy Iranja moa no tena manintona ny maro satria misy lala-masaka eo anelanelan'ny ranomasina roa amin'ny atoandro. Tsy adino ny ranomasina fotsy mangatsakatsaka ka ahitana ireo "fonds marins". Tsy ambakan'izany nefa ireo tora-pasika amin'ny Nosy hafa.

Ny ao Nosy Komba manokana, ireo biby arovana no tena manintona ireo mpizahatany sy mpiala sasatra. Hita ao ny gidro, ny bibilava sy ny sokatra.


Copyright Image : © Telma

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo