• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Fidy_Narovana_Rak
Image
Vaovao

Fitokonana eny Ankatso : Mpianatra 8 voasambotra

24/08/2023 14:23 © Moov.Mg

Nidina an-dalambe nanomboka io maraina io ny mpianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo Ankatso. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana ary nisy tamin’ireo mpianatra nitokona no voasambotra.

Fisamborana ny mpianatra

Taorian’ny fanidian’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra ny vavahadin’ny Oniversite an’Antananarivo dia nidina an-dalàmbe ihany koa ny mpianatra, io maraina io. Niainga teo amin’ny Esplanaden’ny Oniversite ny dian’izy ireo ary nihazo ny arabe midina any fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka 119. Nisy ny fandoroana pneu izay nataon’ireto mpianatra mba hampisehoana ny tsy fahafalian’izy ireo.
Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana, ary nanomboka teo ny fifanenjehana. Mpianatra miisa valo (hatramin’ny atoandro teo) no voasambotra, araka ny vaovao nampitain’i Jean Julien, anisan’ny mpikambana ao amin’ny fikambanan’ny mpianatra manaraka ny lalam-piofanana EGS. Manoloana ny fisamborana ireo namany dia efa miezaka mitady vahaolana ireo mpianatra sasany. « Efa mitady hevitra ny amoahana an’ireo ankizy voasambotra any izao izahay. » hoy i Jean Julien mitaintaina.

Fitakiana

Taorian’ny fikaonan-doha teo amin’ireo filohan’ny mpianatra miisa sivy eny amin’ny Oniversite an’Ankatso dia tapaka fa hiroso amin’ny fitokonana ihany koa ny mpianatra. Nalefa tany amin’ny pejy Facebook-ny làlam-piofanana tsirairay avy ny fanapahan-kevitra ka izao tonga namaly ny antso izao ireo mpianatra. « Ireo mpianatra eny amin’ny cité no tena tonga maro nanohana izao fitakiana izao. Lany vatsy fotsiny manko ireo mpianatra monina alavitra raha toa ka izay fotsiny no hiakaran’izy ireo aty. » hoy i hatran i Jean Julien.
Fantatra ary fa mangataka ny hiverenan’ny fampianarana amin’ny laoniny ireo mpianatra. Mangataka ihany koa izy ireo ny hampiakarana 100% ny vatsi-mpianarana. « Rariny izahay raha mangataka ny fampiakarana ny vatsi-mpianarana satria efa tena tsy mifanaraka amin’ny vidim-piainana misy ankehitriny intsony mihitsy izany », hoy i Jean Julien nitantara. Efa fito taona teo ho eo tokoa izay no nisy fiakarany farany ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra eny amin’ny anjery manotolo, ary zara raha nisy 10% izany fiakarana izany, hoy ireo mpianatra mitaraina.
Aorian’ny fivoriana izay hataon’ny fikambanan’ny mpianatra androany hariva no ho fantatra indray ny fandaharam-potoana manaraka mahakasika ny fitakianan’ny mpianatra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo