• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Vol-Direct.Net
Image
Vaovao

Lalaon’ny Nosy : Miasa hatramin’ny 09 ora alina ny fitateram-bahoaka

24/08/2023 16:44 © Moov.Mg

Hiantoka ny fifamezivezen'ny olona hatramin’ny @ 09 ora alina manomboka rahampitso ireo fitateram-bahoaka, araka ny filazana nataon’ny ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro androany.

Nampilaza tao amin’ny pejy Facebook-ny ny ministera androany fa hiasa alina ireo fiara fitateram-bahoaka eto andrenivohitra manomboka rahampitso 25 Aogositra ka hatramin’ny alahady 03 Septambra. Nanamafy ihany koa ny ministera fa malalaka ny zotra andehanan’ireo fiara fitateram-bahoaka manomboka amin’ny 07 ora alina, na ho an’ny zotra an-drenivohitra izany na ho ann’y zotra ivelan’ny renivohitra. Atao izao mba hanamorana ny fodian’ny mpandeha fa ihany koa mba hitandroana ny fandriam-pahalemana sy ho fiarovana ny ain’ny vahoaka.
Olona aman’arivony no vinavinaina hifamezivezena eto an-drenivohitra, satria hisokatra amin’ny fomba ofisialy rahampitso Zoma tokoa ny lalao sy ny lanonana. Manoloana izany fanapahan-kevitra izany dia mampilaza ireo Sampan’asam-pitaterana rehetra ny ministera mba hampandre ireo mpikambana ao aminy. Entanina ihany koa ireo sampan’asa ireo mba handray ny fepetra mifandraika amin’izany fanapahan-kevitra izany. Ilaina izany mba hahafahana mampirindra araka ny tokony ho izy ny fitaterana, mandritra io fe-potoana haharetan’ny Lalaon’ny Nosy io.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo