• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Gn_Vakinankaratra
Image
Vaovao

Antsirabe : Mpamily mamo niteraka lozam-pifamoivoizana

25/08/2023 13:29 © Moov.Mg

Lozam-pifamoivoizana VIP – Andranomanelatra Antsirabe II : Diso ny filazana fa olona roa no maty teo no ho eo. Olona 13 kosa no naratra araky ny tatitry ny BPR Gendarmerie Nationale Antsirabe.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tany amin’iny làlam-pirenena faha 7 iny omaly. Mitondra fanazavana misimisy momba ny zavatra nisy ny avy eo amin’ny Groupement de Gendarmerie Vakinankaratra.

Mpamily mamo

Tsy nitondra mpandeha (vide) ity fiara VIP ity raha niainga taty Antananarivo hihazo an’Antsirabe iny. Teny an-dàlana no nandray mpandeha ity izy, izay marihina fa tsy azon’ny fiara VIP atao mihitsy. Tsy nisoratra ta anaty « manifold » araka izany ireo mpandeha noraisina teny an-dàlana ireo. Ankoatra ny fandraisana mpandeha teny an-dàlana, izay efa tsy fanarahan-dalàna, dia nisotro zava-pisotro mahamamo ihany koa ity mpamily. Mamo izy nitondra ny fiara, araka izany, ka izao niteraka lozam-pifamoivoizana izao.
Raha hitodiana ny zava-nisy dia tamin’ny 09 ora alina teo no niseho ny loza teo amin’ny RN7 PK 158+400. Nandeha mafy ity fiara ka avy dia nivadika ary nitakisatra lavabe nanaraka ny arabe ary tsy nijanona raha tsy tafarinateo amin’ny sisin’arabe. Potika tanteraka ny fiara vokatr’izany ary nisy ireo naratra.

Diso ny filazana fa nisy ny aina nafoy

Diso ny filazana fa nisy olona roa maty teo no ho eo vokatry ny ny lozam-pifamoivoizana, hoy ny GN Antsirabe nanamafy. Tsy nisy ny namoy ny ainy araka ny vaovao voaray avy tamin’ny ATT. 13 kosa no isan’ireo olona naratra ary efa nahazo fitsaboana sahazy azy avy izy ireo. Tsy naninona kosa ilay mpampily mamo.
Manoloana izao loza vokatry ny tsy fanarahan-dàlana izao dia tsy maintsy handraisana fepetra ilay mpamily. Manentana ny rehetra ary ny zandary mba hanaraka antsakany sy andavany ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny familiana.
Mampahafantatra ihany ko aizy ireo fa :
Ny fiara fitaterana VIP dia tsy mahazo mandray olona eny an-dàlana (afa-tsy ireo nanao famandrihana mialoha eny anivon'ny birao).
Tsy maintsy misoratra anaty manifold avokoa ny mpandeha rehetra ahafahana mahafantatra ny mombamomba ireo mpandeha sy ahafahana miantso raha sendra loza toy izao.
Ny mpamily manao lozam-pifamoivoizana dia tsy maintsy andraisana fepetra.
Manentana ny mpandeha hampandre ny zandary eny amin’ny làlana ihany ko aizy ireo raha vao misy hafahafa ny fiara na ny fihetsiky ny mpamily. Atao izany mba hisorohana ny loza toa izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo