• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

Halatra jiro sy rano : Manamafy ny fanaraha-maso ny Jirama

30/08/2023 16:53 © Moov.Mg

Tranga efa zary fahita eny anivon’ny fiarahamonina ny fangalarana ny tolotra izay aroson’ny Jirama dia ny jiro sy ny rano izany. Anisany miteraka olana ho an’ity orinasam-panjakana ity anefa izany, ka tapaka fa hanamafy ny fanaraha-maso izy ireo.

Lafo ny saran’ny fampidirina jiro

Efa tsy mahagaga intsony ankehitriny ny maheno sy mahita ireo tokatrano misintona jiro sy rano miainga avy eo amin’ny trano eo anilany na eo ampitany. Zary ahitana an’izany avokoa ireo elakelan-trano rehetra eto an-drenivohitra, fa ihany koa ny amin’ny faritra. Anisany antony iray mahatonga ny olona miroso amin’izany tokoa mantsy ny fahalafosan’ny fampidirana jiro. « Lafo loatra ho anay ny saran’ilay fampidirana jiro. Sady mbola mila mampiditra poto iray fanampiny izahay vao afaka misitraka izany. » hoy i Martin, mponina eny Ambohimangakely, nitantara.
Mila manomana 300 000 ariary raha kely indrindra mantsy vao afaka misitraka izany herinaratra izany. Mbola mihoatra lavitra noho izany ny vola aloha raha toa ka mbola mila mampiditra andrin-jiro na poto. Vokany, maro ireo tokatrano no mbola miaina anaty haizina. Manoloana izany dia voatery mitady vahaolana araka ny fahefa-mividy eo aminy ny tokatrano. Misy ireo mampiasa labozia, ao ireo misafidy ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, ary ao ihany koa ireo misintona jiro amin’ny trano eo akaikiny.

Mahafaty antoka ny Jirama

Manatanteraka hetsika miompana amin’ny ady amin’ny halatra Jiro sy Rano ny Jirama ankehitriny, amin’ny alàlan’ny Task Force. Misy araka izany ny fidinana ifotony izay ataon’ireto ekipa teknika ireto. Miompana amin’ny fitsirihana ireo tokatrano ny asan’izy ireo mba hijerena raha manara-dàlana ny fampiasana ny jiron’izy ireo na tsia. Omaly izao dia trano iray no nahitana tranga fangalarana jiro tao Ambinankely, Taolagnaro. Iray hafa ihany koa no tratra tao Ankazobe.
Anisany miteraka faty antoka goavana ho an’ny orinasa Jirama anefa ity endrika fangalarana iray ity. Vola mitentina 100 miliara ariary isan-taona no very amin’izany. Mihasarotra ny fikojakojana sy fanoloana ny fitaovana simba sy antitra noho ny tsy fisian’ny enti-manana, antony izay ambaran’ny Jirama fa anisany miteraka ny fahatapahan-jiro sy ny rano. Etsy andaniny ireo karazana trosa izay tokony mbola hefaina.
Miantso ary manentana ny isa-tokatrano ny Jirama, noho izany, mba hanatsahatra ny fangalarana jiro sy rano. Tanjona amin’izany ny hitandroana ny tombotsoan’ny besinimaro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo