• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Sambava : Jiolahy raindahiny saron’ny polisy. Ao aminy avokoa ny ratsy rehetra !

31/08/2023 08:21 © Midi Madagasikara

Fisolokiana, halatra, fanafihana, fampiasana sy fanaparitahana vola sandoka, fanararaotana sy fanodinkodinana zaza tsy ampy taona ary fitazomana basy vita gasy, … ireo avy no vesatra anenjehana ity lehilahy iray voasambotry ny polisy tao an-drenivohitr’i Sava tao.

Ny alatsinainy lasa teo ity farany no sarona sy tsy afa-niala intsony rehefa tratran’ny vela-pandriky ny polisy tao Sambava. Raha ny fanazavana azo dia efa naharaisana fitairanana maromaro ny mahakasika ity lehilahy ity, jiolahy raindahiny nampitondra faisana tanteraka olona betsaka tany an-toerana. Nisy ny angom-baovao azon’ny teo anivon’ireo mpitandro filaminana, nahazoana nahafantatra ny faritra niafenanan’ity olon-dratsy ity, rehefa nandeha hatrany ny fikarohana azy.

Tamin’io andron’ny alatsinainy io, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva tany, no tafalatsaka tao anaty vela-pandrika ny lehilahy ary noraisim-potsiny. « Marihina fa mbola nahatratrarana vola halatra, vola sandoka, ary basy vita gasy teny amin’ny nandritra ny fisamborana azy », hoy ny loharanom-baovao azo teo anivon’ny polisy hatrany. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria moa ity olon-dratsy ity ho amin’ny famotorana azy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny fanadihadiana natao azy, hoy hatrany ny polisy.

Marihina fa omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana tany an-toerana ity jiolahy ity ary nadoboka am-ponja avy hatrany, miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo