• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Tany-Harenasykolontsaina
Image
Vaovao

Famatsian-drano madio : olona 270.094 isa misitraka fotodrafitrasa vaovao sy nohavaozina

31/08/2023 13:58 © Moov.Mg

Tsy mampiasa rano fisotro madio ny 57%-n’ny Malagasy, amin’ny ankapobeny, araka ny fanadihadiana MICS 2018. Ny ampahaefatry ny mponina ihany koa no mba afaka manasa tanana ara-dalàna amin’ny rano sy savony.

Any ambanivohitra moa dia ny 43%-n’ny mponina no mampiasa rano fisotro tsy azo antoka. Mitarika karazan’aretina maro, toy ny fivalanana, ny lefakozatra sy ny tsy fanjariantsakafo anefa ny fisotroana rano tsy ara-pahasalamana.

Mijaly rano i Bongolava

Noho ireo antony ireo, araka ny tatitra navoakan’ny filàn-kevitry ny minisitra notontosaina omaly 30 aogositra 2023, dia niroso tamin’ny fametrahana rafitra famatsian-drano vaovao ho an’ny mponina, any amin’ny faritra maro, sy nanamafy ireo fotodrafitrasa efa misy, ny ministeran’ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana. Olona miisa 270.094 no misitraka izany. Isan’ireo mbola mijaly amin’izany famatsiana rano fisotro madio izany ny any amin’ny faritra Bongolava. Raha ny ao amin’ny kaominina Andriampotsy, distrikan’i Fenoarivobe izao dia renirano no ampiasain’ny mponina. Ny ao amin’ny kaominina Morarano Maritampona kosa dia loharano na lava-drano tsy azo antoka no mamatsy rano ny mponina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo