• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Tontolo iainana : nahitana karazam-borona vaovao tany Maintirano

31/08/2023 15:20 © Moov.Mg

Voalohany teto Madagasikara no nahitana ny karazam-borona antsoina hoe : “Cigogne à pattes noires”, izay fantatra amin’ny anarana siantifika hoe : “Ciconia microscelis”, araka ny fampitam-baovaon’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ary ny fikambanana tsy miankina The Peregrine Fund.

Ny faran’ny volana jona lasa teo no nahitana ity karazam-borona ity, tao amin’ny Faritra arovana Mandrozo, kaominina Andranovao, distrikan’i Maintirano any amin’ny Faritra Melaky. Ny The Peregrine Fund moa no mitantana ity faritra arovana ity.

Vorona afrikanina

Araka ny fantatra dia any amin’ireo firenena afrikanina tsy lavitra loatra an’i Madagasikara, toa an’i Mozambique, Zimbaboe, Tanzania, na ihany koa i Kenia no ahitana an’ity karazam-borona ity. Tsy mbola nahitana azy ihany koa any amin’ireo nosy rehetra manodidina an’i Madagasikara. Ity tokana ity kosa no hany mbola hitan’ireo teknisianinan’ny The Peregrine Fund teto Madagasikara hatreto. Mitohy ny fikarohana mombamomba azy ity sy ny fitadiavana izay mety ho namany, iarahan’ity fikambanana tsy miankina ity miasa amin’ny fitaleavam-paritry ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy any Melaky.

Vorona 109 karazana

Ny faritra arovana Mandrozo, izay nahitana ny « Cigogne à pattes noires », dia any avaratr’i Maintirano no misy azy. Mampiavaka azy ny fisian’ny farihin’i Mandrozo izay mirefy 1 800 ha. Ao amin’io faritra arovana io no ahitana ireo karazam-biby sy zava-maniry mampiavaka ny faritra, toy ny vorona izay misy 109 karazana sy zava-maniry 35 karazana, ka tsy fahita afa-tsy any an-toerana ny 19 karazana amin’ireo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo