• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Fambolena – PURPA : Ho fanatsarana ny ady amin’ny tsy fanjarin-tsakafo

31/08/2023 16:50 © Moov.Mg

Sehatra iray lehibe miantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fambolena sy ny fiompiana. Anisany miteraka izany tsy fanjarintsakafo izany ny fahantrana, fa ihany koa ny tsy fahampian’ny vokatra vokarina eto an-toerana.

Miompana tanteraka amin’izany ady amin’ny tsy fanjarin-tsakafo izany indrindra ny tetikasa PURPA izay sahanin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka.

Fampiofanana ireo mpiara-miombon’antoka

Miantoka ny fanatratrarana ireo tanjona napetraka ao atin’ny tetikasa PURPA ny fahafahan’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra mifehy araka ny tokony ho izy ny anjara asany avy. Izany indrindra no anto-mpisian’ny fampivondronana sy ny fampiofanana azy ireo nandritra ity herinandro ity. Tao Fianarantsoa no nanatanterahana izany ny 28 Aogositrika ka hatramin’ny 30 Aogsitra lasa teo.
Anisan’ireo voakasik’izao hetsika fampivondronana sy fampiofanana izao ny DRAE sy ny FDAR avy amin’ny faritra Anosy, Androy, Atsimo Andrefana, Ihorombe sy Matsiatra Ambony. Tanjona tamin’izany ny hanatsarana ny fomba fiasan’ireo mpiara-miombon’antoka eny ifotony mba hahafahana mahazo vokatra mahafapo.
Teboka efatra lehibe no nojerena tamin’izany dia ny :
Fanatsarana ny fizohina ny tetikasa sy ny tombana ho an'ireo fizarana hanapamokarana sy ny karatry ny mpamokatra efa vita tany aloha;
Fanatsarana ny fomba fiasa ka ao anatin'izany ny fampiasana ny teknolojia "Kobo Toolbox", ny tombana sy fizarana ireo traikefa eny ifotony, ny fampiofanana ary ny fizarana ireo fomba fiasa tsara;
Fametrahana ireo saha sekoly isaky ny faritra;
Fandrindrana sy fanomanana ny fizarana hanapamokarana manaraka, ary ny fampiofanana ireo mpisitraka ny tetikasa araka ny teknikam-pamokarana.
Mpamokatra aman’hetsiny ho hisitraka
Tantsaha miisa 139 100 no heverina hisitraka ity tetikasa PURPA ity, araka ny vinan’ireo mpiara-mombon’antoka isan-tsokajiny, izay tarihin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana. Ireo orinasa kely sokajy faharoa ka mampiditra tombony 10%. Faritra valo amin’ny 23 manerana ny Nosy no voakasik’izany dia Amoron'i Mania, Menabe, Vakinankaratra, Melaky ,Alaotra Mangoro, Boeny, Bongolava, Betsiboka,Sofia,Sava,Diana,Atsinanana, Analanjirofo,Analamanga,Haute Matsiatra, Ihorombe,Androy, Anosy, Itasy ary Atsimo Andrefana.
Hanamorana ny fisitrahana ny hanam-pamokarana ho an’ireo tantsaha ny tetikasa PURPA, izay marihina fa vehivavy ny 30%-n’izany. Hiompana amin’ny fizarana karatra maha mpamokatra manerana ireo faritra izay hitodiany ihany koa ity tetikasa ity ka olona miisa eo amin’ny 126 000 eo no hahazo izany. Raha hatao bango tokana dia fomba iray hanohanana ireo tantsaha mpamokatra hanatsara ny vokatra ny fanatanterahana ity PURPA ity.

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

Tetikasa iray napetraka ary nahazo tohana ara-bola mitentita 81 miliara ariary avy amin’ny banky afrikanina ho an’ny fandrosoana na BAD ny PURPA. Anisany fomba fiady iray napetraka hiarovana ny lafiny ara-tsakafo izy ity, manoloana ireo olana mety ho ateraky ny ady misy eo amin’ny Ukraine sy Russie. Sehatra fototra maro tokoa no voakasik’io ady io ankehitriny, ary anisan’izany ny lafiny ara-pamokarana sy ara-tsakafo, izay miafampiankina tanteraka.
Raha ny eto an-drenivohitra fotsiny no resahana ohatra dia manodidina ny 50% ny tahan’ny tsifanjarian-tsakafo mitarazoka. Tanjona iray lehibe amin’ny fanatanterahana ny tetikasa PURPA araka izany ny hanohanana ireo tantsaha amin’ny alàlan’ny fizarana hanam-pamokarana. Izao no atao dia ny mba hanatsarana sy hampitomboana ny vokatra, izay antoky ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto amin’ny Nosy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo