• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Fanafihana « cash point » : Lavon’ny polisy Raliva Be

07/09/2023 15:18 © Moov.Mg

Jiolahy iray, fantatra amin’ny solon’anarana hoe : Raliva Be, no lavon’ny polisin’ny CSP7 omaly alina teny 67 ha. Araka ny fantatra dia efa mpamerin-keloka ity jiolahy ity ary ireo « cash point » eto an-drenivohitra no tena lasibany.

Tsy nanaiky nosamborina

Raikitra ny poa-basy, omaly halina, teny 67 ha teny, rehefa nifanehatra tamin’ny polisy tany an’elakelan-trano i Raliva be. Niaraka tamin’ny antsy lava fitondrany manao ny asa ratsiny izy tamin’izany. Tsy nanaiky nosamborina mora foana ity jiolahy ity, raha ny fitantaran’ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena, fa mbola nikasa ny hampiasa ny fitaovana teny aminy, hanoherana ny mpitandro ny filaminana. Raikitra ny fifanandrinana, araka izany, ka nitarika izao fahafatesany izao.

Fanafihana teny 67 ha

Ny 29 Aogositra 2023, araka ny fantatra, no nanao fanafihana teny amin'ny Arret bus 67ha Raliva be. Nahafaty olona iray izy tamin’izany ary olona iray hafa no naratrany. Efa mpamerin-keloka izy, raha ny voalazan’ny polisy, satria efa in-droa miantoana no nigadra teny amin’ny fonjan’Antanimora, saingy izao manohy ny asa ratsiny izao ihany rehefa tafavoaka. Nihena iray izany izao ireo jiolahy mpanafika, mampihorohoro ireo mpanao « cach point » eto an-drenivohitra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo