• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Hr2023
Image
Vaovao

Mampihorohoro saim-bahoaka ny fitondrana, hoy ny antoko HVM

07/09/2023 20:08 © Moov.Mg

Nandefasana mpitandro ny filaminana nivezivezy manodidina ny tranon’ny filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, raha ny fanambarana navoakan’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) androany, nosoniavin’ny filoha nasiônaliny, Rakotovao Rivo. Endrika iray amin’ireo fanitsakitsahana ny zo fototra sy ny zo haneho hevitra ary ny fahalalahana eto Madagasikara izany, hoy ity fanambarana navoakan’ny HVM ity.

Misy endrika fiandaniana

Miendrika fampihorohoroana ny zavatra ataon’ny mpitondra amin’izao, amin’ity filoha mpanorina ny HVM sady filoham-panjakana teo aloha ity. Tsy vitan’izany fa mampihorohoro saim-bahoaka ihany koa, hoy hatrany ny fanambarana. Tahaka izany ihany koa ny fanakantsakanana sy barofo natao tamin’ireo kandida nikasa hikaon-doha sy haneho hevitra teny amin’ny ISTS Mandrimena tamin’ny alatsinainy 4 septambra lasa teo. Notsikerain’ity fanambarana ity, ankoatra izay, ny endrika fiandaniana asehon’ny tompon'andraikitry ny prefektiora ny polisy eto Antananarivo, izay mamela malalaka ny hetsika ataon’ny antoko eo amin’ny fitondrana, nefa manao fanagiazana ireo mpitandro ny filaminana ho herim-pamoretana, ho an’ireo hetsika hafa atao eo anelanelan’ny 6 hatramin’ny 9 septambra 2023.

Manameloka ny antsojay

Eo anatrehan’ireo, ny antoko HVM dia manameloka ny antsojay sy ireo endrika fampihorohoroana atao amin'ny olon’ny antoko sy ireo mpanohitra ary ny vahoaka Malagasy amin’ny ankapobeny. Etsy an-daniny, tondroin’izy ireo ho tompon’andraikitra ireo tomponandraikim-panjakana manome baiko, raha toa ka misy ny mahazo ny filoha Hery Rajaonarinapianina sy ny fianakaviany, na ny mpikambana ao amin'ny antoko HVM, na ihany koa ireo mpitarika eo amin'ny ankolafy fanoherana. Miantso ny amin’ny tokony hanajana ny tany tan-dalàna moa ny HVM ary mbola nanamafy ny tsy faneken’izy ireo ny firotsahan-kofidian'ny olona mizaka ny zom-pirenena vazaha ho Filoham-pirenena.

Hatreto aloha dia mbola isan’ireo kandida amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ho avy io i Hery Rajaonarimampianina ary tsiahivina fa iray amin’ireo kandida valo nanasonia ny fanambarana mitsipaka ny filatsahan-ko fidian’i Andry Rajoelina, izay mizaka ny zom-pirenena frantsay, ny tenany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo