• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Skispass
Image
Vaovao

Maroantsetra : Raim-pianakaviana mamo, nanatono ny zanany

08/09/2023 07:50 © Midi Madagasikara

Vao amam-bolana monja ilay zaza. May tanteraka ny tapany ambany manomboka eo amin’ny fitombenany iny niaraka tamin’ny tongony rehetra iny, vokatry ny nataon-drainy azy.

Nentin’ny hamamoana diso tafahoatra ingahirainy hoe ka nanafangaro ny tsaky tokony hatono tamin’ny zanany. Efa teny ambony fatana vao novonjena ilay zaza. Tranga hafakely no sady mahatsiravina sy mampivarahontsana no nitranga tao amin’ny kaominina Ankofabe, ao amin’ny distrikan’i Maroantsetra iny, ny alin’ny alarobia teo. Zazakely iray vao 5 volana monja no nataon’ny rainy, teny ambony fatana fitonoana hena. Raha nisy kely foana dia efa may tanteraka toy ireny masikita ireny ilay zaza. Soa ihany fa nisy nahita. Voalaza mantsy fa efa nitsetsetsa tanteraka sy nijafajafa ilay zaza ka nanaitra ireo manodidina sy ny reniny. Teo vao nifamonjena tanteraka nesorina teo ambony afo ary nentina avy hatrany nihazo ny toeram-pitsaboana, ao amin’ny hôpitaliben’i Maroantsetra.

Vao nahazo fampandrenesana moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana dia nidina avy hatrany tany amin’ity tanàna ity, hanao ny fanadihadiana. Voalazan’izy ireo araka izany fa mamo ilay rangahy, izay rainy ihany, ka antony nahatonga azy hanao izany fihetsika mampihoron-koditra izany. Vaovao hafa avy any an-toerana indray anefa no nilaza fa toa hoe efa nokasainy hohanina mihitsy izany zazakely izany.

Tsy dia salama saina mantsy hoe ity raim-pianakaviana ity ary angamba nanosika sy nanampy trotraka ny aretin-tsainy ny zava-mahamamo nosotroiny. Efa mandeha moa ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity any an-toerana

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo