• Cours de change
  • 4746.7 AR
  • |
  • $4418.53 AR
Copyright Image : © Andry Rajoelina
Image
Vaovao

Voina teny amin'ny Kianja Mahamasina : Novangiana teny Iavoloha ireo fianakaviana

08/09/2023 23:02 © Moov.Mg

Androany 8 septambra 2023 no nanatanterahan'ny filoham-pirenena mivady ny famangiana ireo fianakaviana namoy havana aman-tsakaiza teny Mahamasina.

Raha tsiahivina dia maherin'ny folo ireo lavo nandritra ny fifanosehana teny amin'ny Kianja Barea Mahamasina, tamin'ny lanonam-panokafana ny Lalaon'ny Nosy 2023.

Fanefana adidy

Tamin'ireny tranga ireny dia ny praiminisitra sy ireo minisitra ary ireo tompon'andraikitra isan-tokony no tazana teny amin'ny HJRA. Izany indrindra no nikarakarana fihaonana manokana teo amin'ny filoham-pirenena mivady sy ireo fianakaviana niharam-boina. Nisy moa ny fihainoana ny sasany tamin'ireo niharam-boina izay nanatrika ny tranga teny an-toerana. Mbola tsy maina moa ny ravina nihinanana ka latsa-dranomaso ny maro tamin'ireo fianakaviana, indrindra ireo ray aman-dreny namoy zanaka.
"Amin’ny maha-Malagasy, amin’ny maha-ray aman-drenin’ny vahoaka rehetra dia tena miray fo tanteraka amin’ireo niharam-boina sy ny fianakavian’izy Ireo izahay. Efa nandray andraikitra feno ny fitondram-panjakana vantany vao nahare ny loza. Malagasy iray Isika, iray rà, iray aina ka mifampizara ny rehetra ary mifanohana amin’ny fotoana rehetra", hoy i Andry Rajoelina.

Fitsaboana

Misy amin'ireto fianakaviana novangiana androany moa no mbola manana marary tsaboina eny amin'ny HJRA. Nanamafy ny fitondram-panjakana fa mitohy ny fiantohana manontolo ny fitsaboana. Hisy fanampiana manokana ihany koa mba hanamaivanana ny fahasahiranan'izy ireo.
Tsy nampidirana resaka politika moa ity fihaonana androany ity. Tsy voatery ho mpanara-dia ny filoham-pirenena mantsy ireo niara-nifety teny Mahamasina tamin'ny Lalaon'ny Nosy.


Copyright Image : © PRM

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo