• Cours de change
  • 4746.7 AR
  • |
  • $4418.53 AR
Copyright Image : © Andry Rajoelina
Image
Vaovao

Andry Rajoelina : Fitokanana zava-bita ny andro farany iasany

09/09/2023 14:37 © Moov.Mg

Androany sabotsy 9 septambra no mifarana amin'ny fomba ofisialy ny "mandat"-n'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ny hariva izao izy no tokony hametra-pialana satria anisan'ireo kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena indray.

Hatry ny omaly, feno tanteraka ny fandaharam-potoanan'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Raha tao amin'ny lapam-panjakana Iavoloha no tena nifantohany omaly, nisafidy ny hivoaka ny tanan-dehibe izy androany.

Trano mora Ivato

Tontosa soa aman-tsara ny asa fanamboarana ny Trano mora eny Ivato. Miisa 135 ireo trano fonenana natolotra teto androany ireto, ary mbola hisy 580 hafa hanampy azy ireo. Efa fanamby napetraka hoy i Andry Rajoelina ny hanomezana trano mendrika ho an'ny Malagasy. Raha ny sary no jerena, tsara dia tsara ny trano na ny anatiny na ny ivelany. Nampitondraina ny anarana "Lake Village" moa ny tanàna misy ireo trano ireo.

RN44 Ambatondrazaka

Izao tolakandro izao no tontosa ny fanokanana ny lalam-pirenena faha-44, mampitohy an'i Moramanga sy Ambatondrazaka. Nitondra fiara mihitsy moa ny filoha, niaraka tamin'ny vady aman-janany, nisitraka ny hatsaran'ny lalana. Nanotrona ny lanonana ny filohan'ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa, ireo mpikambana ao amin'ny governemanta, ireo governora, ireo lehiben'ny faritra ary ireo depiote mpanara-dia ny antoko TGV.

Azo lazaina fa miroso amin'ny fampielezan-kevitra sahady i Andry Rajoelina, noho ny tenany efa fantatra fa hirotsaka ho fidiana. Mandray anjara fitenenana hatrany ny tenany mitanisa ireo zava-bita, itazomana ny fon'ireo mpanara-dia azy.


Copyright Image : © Madagascar et son futur

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo