• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Onn
Image
Vaovao

ONN : Manakaiky ny vahoaka

15/09/2023 16:39 © Moov.Mg

Anisan’ireo mandray anjara mavitrika amin’ny Foara Analamanga voalohany izay tanterahana etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina ny Ofisim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsakafo na ny ONN.

Mampahafantatra ny anjara asany ny ONN

Mifantoka manokana amin’ny fampahafantarana ny sakafo ara-pahasalamana tokony hisitran’ny tsirairay ny ONN ankehitriny. Anisan’ireo mitana trano heva mandritra ity hetsika foara ity sampana ity, izay isolon’ny ORN Analamanga na ny biraon’ny faritra ONN tena.
« Tanjonay amin’ny fandraisana anjara amin’ity foara ity ny hampahafantarana ny olona ny fisianay, fa ihany koa ny anjara andraikitra raisinay », hoy ny avy eo amin’ny ORN manazava. Miezaka mampiseho sy mampianatra ireo mpitsidika ireo karazan-tsakafo ara-pahasalamana ihany koa izy ireo mandritra io telo andro io. Ankoatra izany dia misy ny fampanandramana maimaim-poana izany atao hoe karazan-tsakafo ara-pahasalamana izany, ho an’ireo izay tonga mitsidika ny trano heva.
Tsara ny manamarika fa manaraka ny paikady izay napetraka tamin'ny alàlan'ny ONN sy ny PNAMN ny ORN.

Miady amin’ny tsy fanjariantsakafo

Sampana iray miady amin’ny tsy fanjariantsakafo ny ONN. Raha ho an’ny faritra Analamanga manokana no resahana dia distrika 7 amin’ny 8 no iasan’ny ONN anketriny. Ivo-toerana ifotony miisa 732 ao anatin'ny tetikasa FAFY na Fanjariantsakafo sy Fahasalamana ifotonY izay hita ao anatin'ny distrika 7 amin'ireo 8 eto amin'ny faritra Analamanga no hifantohan’ny ORN. Ny distrikan’Antananarivo Renivohitra ihany araka izany no tsy ahitana ny fidinana ifotony izay tontosain’ny ONN hatreto.
Mandritra ny fanatanterahana ny asany any amin’ireo distrika mpisitraka, dia andraikitra maro no sahanin’ny ONN. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaraha-maso ny fitombon’ny zaza 5 taona noho midina. Lanjaina izy ireo mandritra izany ary refesina ny sandriny sy ny halavany, ka atao isam-bolana izany. Amin’ny alàlan’ireo antontan'isa voaray no ahafahana mamaritra raha tratran’ny tsy fanjariantsakafo ny zaza iray na tsia. « Ahitana tsifanjariantsakafo amin'ny endriny rehetra ny aty amin'ny faritra afovoan-tany, indrindra fa ny tsifanjariantsakafo mitarazoka. Raha ny eto Analamanga dia mbola 48% ny tahan'izany », hoy ny avy eo amin’ny ORN manazava.
Iantefan’ny asan’ny ONN manokana araka izany ny zaza latsaky ny 5 taona, ny reny bevohoka sy ireo reny mampinono. Mampianatra ny reny ny fandrahoana sakafo ho an’ny zaza sy ny fianakaviana ihany koa izy ireo mandritra ny fanatanterahana ny asany. Mandritra ny faharetan’ny hetsika Foara Analamanga dia vonona ny handray ireo mpitsidika maniry ny hahalala bebe kokoa mahakasika ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo ny ekipan’ny ORN.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo