• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Mpianaka nisy namono : Nosamborina ny vadiny sy ny mpiasany

16/09/2023 06:20 © Midi Madagasikara

Olona telo no efa tazomin’ny zandary ary nanokafana fanadihadiana amin’izao fotoana. Izany dia mahakasika ilay famonoana renim-pianakaviana sy ny zanany lahikely telo taona sy tapany.

Ny vadiny no nosamborina voalohany ary koa ny mpiasa lahy iray sy irakiraka iray. Ireo no ahiana mafy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana azy mianaka. Raha tsiahivina dia nilaza ho tsy tao ilay raim-pianakaviana fa nisy dia nalehany tamin’ny alin’ny asabotsy hifoha alahady izay nitrangan’ny heloka bevava.

Ny marainan’ny alahady no hita faty izy mianaka. Ilay raim-pianakaviana vaky loha rehefa nototaina tamin’ny vato, ankoatr’izay notsindromina antsy indroa ny tendany. Ilay zazakely kosa nivoaka ny lelany ary afaka ny ainy rehefa nokendaina tamin’ny lamba. Nikorontana ambony ambany ny trano tamin’ny fijerena ifotony nataon’ny mpanao fanadihadiana. Trano izay mifefy tamboho ary misy mpiara-monina maromaro izay samy mpianakavy ny ankamaroany. Vao maraina be anefa dia hita ho mivoha ny varavarana kanefa tsy nisy olona nivezivezy. Ny maman’ny maty no nijery ny tao an-trano ary gina raha nahita ny zanany vavy sy ny zafikeliny izay maty. Teo no nampandrenesina ny manam-pahefana rehetra. Raha ny fantatra dia nisy vola izay telo hetsy raha kely indrindra tao anaty poketran’ilay ramatoa novonoina. Tsy voatery ho izay anefa no mety ho anton’ilay heloka bevava fa mety ho nandrakofana fotsiny ny famonoana ho asan-jiolahy no tanjon’ireo tsy mataho-tody. Mitohy hatrany ny fanadihadian’ny zandary mahakasika ity raharaha ity mba hivoahan’ny tena marina.

Tsy noferana ho 48 ora intsony ny fitazomana vonjimaika ireo olon-dratsy fa notohizana andro maromaro mba hahafahana mandalina ny tena anton’ilay heloka bevava. Mety ho amin’ny herinandro mihitsy vao alefa eny anivon’ny fampanovana. Mitohy manaraka ity raharaha ny olona, indrindra koa rehefa niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ny zava-nitranga.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo