• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Pa
Image
Vaovao

Fanomanana ny fifidianana : Mitohy ny fanontana ny biletà tokana any Afrika Atsimo

18/09/2023 09:41 © Moov.Mg

Ny harivan’ny 11 septambra 2023, taorian’ny fisarihana ny laharan’ireo kandida ao anaty biletà tokana, dia nankany Afrika Atsimo ny delegasionan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI), notarihan’ny filohany, Andrianarisedo Retaf Arsène Dama, nitondra ny lasitry ny biletà tokana. Ankehitriny dia efa maherin'ny iray tapitrisa ny efa voatonta, araka ny tatitr’izy ireo.

Fisorohana ny hosoka

Mitohy ny fanontana ny biletà tokana hampiasaina amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ny 9 novambra izao, any Afrika Atsimo, araka ny tatitry ny delegasionin’ny CENI nandeha tany an-toerana. Nasiana famantarana manokana izy ireo, mba ho fisorohana ny hosoka mety hitranga, toy ny fampiasana biletà efa misy marika, avy any ivelan’ny birao fandatsaham-bato. Any Afrika Atsimo daholo no hatao ny fikirakirana sy famonosana ny bileta tokana, fa ny anjara asan’ny CENI dia ny mitsinjara izany isaky ny biraom-pifidianana, rehefa tonga eto Madagasikara ireo bileta tokana ireo.

Fifidianana madio

Araka ny fantatra hatrany dia miara-misalahy amin’ny fanaraha-maso ny bileta tokana ny CENI sy ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Fampandrosoana (PNUD), mba hahatontosana fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Tanjona ihany koa ny hanarahana an-tsakany sy an-davany ny tetiandrom-pifidianana. Fandaharam-potoana manaraka napetraky ny CENI ny hanatontosana ny andiany faha-4 amin’ny dinika ifampizaram-baovao sy ifanakalozan-kevitra momba ny zotram-pifidianana, ny 22 septambra izao. Mialoha izay kosa dia hatao androany alatsinainy 18 septambra ny fivoriam-be voalohany miaraka amin’ireo solontenan’ny kandidà, na ilay antsoina hoe : « formation non permanente ».

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo