• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Branchement Mora : Efa vonona ny lisit’ireo mpisitraka

18/09/2023 11:21 © Moov.Mg

Mitohy ny fanatontosana ny tetikasa branchement mora izay ataon’ny eo anivon’ny Jirama. Tokatrano malagasy an’aliny maro indray, araka izany, no hisitrika herinaratra ato anatin’ny volana mifandimby.

Fahatongavan’ny kaontera

Raha hatao ny jery todika dia ny 24 aogositra lasa teo no tonga ireo kaontera 25 000 isa fanampiny, izay ilaina amin’ny fanatanterahana ny tetikasa branchement mora. Tokatrano 170 000 isa no efa nisoratra anarana hisitraka ny tetikasa teo anelanelan’ny volana mey sy aogositra. 70 000 tamin’ireo no efa niroso tamin’ny fanefana ny saran’ny fitaovana ilaina amin’ny fametahana ny kaontera na ny kit d’installation. Efa maro ireo nisitraka herinaratra tamin’ny vidiny mirary tamin’ny alàlan’ity tetikasa ity, araka izany.

Fivoahan’ny lisitr’ireo mpisitraka

Mitohy indray ny asa fametrahana ireo branchement mora taorian’ny fahatongavan’ireo kaontera vaovao ny volana aogositra teo. Miantso ireo rehetra izay nisoratra anarana araka izany ny Jirama, mba ho tonga hijery ny lisitra eny amin’ireo fokontany ao anatin’ny boriborin-tany enina eto Antananarivo Renivohitra.
Entanina ho tonga handoa ny tetibidin’ny asa fametrahana kaontera 30 000 ariary eny anivon’ny masoivohon’ny Jirama akaiky azy ireo mpisitraka. Aorian’izany dia hiroso amin’ny amin’ny asa fampisitrahana herinaratra amin’izay ireo teknisianina eo anivon’ny Jirama.
Nametraka tanjona ny hampisitraka herinaratra ny tokatrano miisa 105 000 ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo sy ny Jirama tamin’ny alàlan’ny fanatanterahana ity tetikasa branchement Mora. Mbola mitohy izany mandritra ity taona 2023 ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo