• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Fanaraha-maso ny sisin-dranomasina : Ho tafakatra 23 ny isan’ny sambo hampiasaina ato ho ato

18/09/2023 15:00 © Moov.Mg

Afaka volana vitsivitsy dia hitombo isa, ka hihoatra ny 20, ny isan’ireo sambo mpanara-maso sy mpiaro ny sisin-dranomasin’i Madagasikara. Antenaina mba hampihena ireo karazan-keloka mahakasika ny ranomasina sy hampitombo ny vola miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana, ny fahatongavan’ireo sambo vaovao, izay hanampy isa ny efa misy.

Sisin-dranomasina midadasika

Manodidina ny 500 hatramin’ny 700 isa isan’andro ny sambo mandalo amin’ny sisin-dranomasin’i Madagasikara, raha ny tomban’ny ministeran’ny jono sy ny toekarena manga. Midadasika be rahateo ny sisin-dranomasintsika, satria mirefy any ho any amin’ny 5 000 km. Tsy mora ny miaro izany velarana izany, ka mahatonga ireo karazan-keloka mifandraika amin’ny ranomasina, toy ny fitaterana zava-mahadomelina an-tsokosoko, na fanondranana harem-pirenena tsy ara-dalàna. Raha ny antontan’isan’ny sampandraharahan'ny Firenena Mikambana momba ny sakafo sy ny fambolena (FAO) dia mahatratra hatrany amin’ny 24 miliara dôlara isan-taona ny vola very amin’ny jono tsy ara-dalàna aty Afrika. Ho an’i Madagasikara manokana dia mahatratra 16 tapitrisa dôlara izany vola very izany.

Fanomezana avy amin’ny japoney

Ho fiadiana amin’ireo karazan-keloka ireo dia nametraka paikady ny fitondram-panajakana, tamin’ny alalan’ny fampitomboana ny isan’ny sambo mpanara-maso ny sisin-dranomasina. Taloha dia sambo 2 ihany no nampiasain’i Madagasikara, nentina nanatanteraka ny fanaraha-maso ny jono, hoy ny Minisitry ny jono sy ny toekarena manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert. Amin’izao fotoana izao kosa dia efa misy 16 izy ireo ary mbola hiampy 5. Ny 4 amin’ireo no efa tonga, fanomezana avy amin’ny governemanta japoney, ka halefa any Faradofay, Toamasina, Antsiranana ary Toliara. Halefa any Mahajanga kosa ilay iray mbola andrasana. Araka izany, ho tafakatra 23 ny isan’ireo sambo mpanara-maso ny jono sy ny sisin-dranomasina ireo atsy ho atsy, eo ambany fitantanan’ny ivon-toerana mpanara-maso ny jono (CSP) sy hiarahana miasa amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy ny ranomamy (APMF).

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo