• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Lntpb
Image
Vaovao

Asa vaventy – LNTPB : Nahazo fankasitrahana noho ny kalitaon’ny asany

18/09/2023 16:07 © Moov.Mg

Nody ventiny ny rano natsakaina. Nandrombaka ny mari-pankasitrahana natolotry ny European Society for Quality Research (ESQR) ny Laboratoara nasionalin’ny Asa Vaventy sy ny Taotrano na ny LNTPB.

Nivoaka ho mpandresy ny LNTPB

Anisan’ireo orinasa notsinganin’ny ESQR nandritra ny fifaninana ahazoana ny amboara iraisam-pirenena mikasika ny lenta sy ny kalitao ho an’ny taona 2023 ny LNTPB. Fifaninana izay nandraisan’ireo orinasa maneran-tany anjara izany. Ny kalitaon’asa mendrika eo amin’ny tsena anatiny sy ivelany no jerena mandritra izany, koa anisan’ireo mendrika sy nahazo ny mari-pankasitrahana ity laboratoara malagasy ity. Porofo izao fa anisan’ireo mametraka ambony ny kalitao amin’ny asa sahaniny na eto an-toerana na any ivelany ny Laboratoara, hoy ny ministeran’ny Asa Vaventy manamafy. Ny volana Jolay lasa teo tany Bruxelles, araka izany no nivoaka ny valin’ny fifaninana, ka norombahan’ny LNTPB ny amboara.

Rantsamangaika eo anivon’ny ministera

Mitàna andraikitra lehibe eo anivon’ny ministeran’ny Asa Vaventy ny laboratoara LNTPB. Raha tsiahivina dia ny taona 1954 no niorina teo anivon’ny ministera ity departemanta ity. Mifantoka amin’ny fanadihadiana, ny fitsirihana sy ny fanaraha-maso ara-jeografia sy ara-teknika eo amin’ny asa fanamboaran-dàlana sy taotrano, ny asa fanajariana seranam-piaramanidina, ny asa mifandraika amin’ny ranomasina sy renirano sy ny maro hafa ihany koa ny andraikitra sahaniny.
Ny taona 2014 ihany koa no efa nanomboka nahazo ny système de management de qualité ISO 9001 izay natolotry ny AFAQ/AFNOR ny LTPB. Efa nahazo ny amboara « Trophée quality summit, ny « trophée internationale qualité » ary ny « Trophée international Gold Star » izay natolotry ny « Business Initiative Qualité » ihany koa ity laboratoara ity. Mikendry hatrany ny hanatsara ny kalitaon’ny asany, araka izany ny LNTPB, ary izao nahazo ny mari-pankasitrahana avy amin’ny ESQR izao indray.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo