• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Piatt_Ppab_Madagascar
Image
Vaovao

Manakara : Natolotra tamin’ny fomba ôfisialy ireo trano mahazaka rivo-doza

18/09/2023 16:27 © Moov.Mg

Natolotra ho an’ireo mponina any Manakara ireo trano mahatohitra rivo-doza naorina taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai tany an-toerana. Tamin’ny faran’ny herinandro teo no nanoloran’ny ministry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetry ny andro, Valery Ramonjavelo, izany tamin’ny fomba ofisialy.

Tetikasa fanatsarana ny toeram-ponenana

Trano maherin’ny 50 isa no ravan’ny rivo-doza Batsirai tamin’ny taon-dasa, tao amin’ny distrikan’i Manakara, faritra Fitovinany. Ho fanarenana izany dia nametraka fanamby ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH) eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, ka nanangana trano manaraka ny fenitra sy mahatanty rivodoza. Trano 54 isa ao amin’ny fokontany Ambalafary Gara, kaominina ambonivohitr’i Manakara no natolotra tamin’ny fomba ôfisialy. Niampy fotodrafitrasa famatsian-drano fisotro madio miisa telo izany. Tafiditra ao anatin’ilay tetikasa momba ny fanatsarana ny toeram-ponenana tsy zarizary (PPAB/PIATT) andiany fahatelo izao fanarenana ny trano fonenan’ny mponina izao.

Lakandrano hanondraka tanimbary

Ny SENVH no tomponandraikitry ny tetikasa ary ny rantsamangaikan’ny firenena mikambana misahana ny trano fonenana (UN-Habitat) no namatsy ara-bola. Araka izany dia nanome ireo fitaovana rehetra nilaina tamin’ny fanamboarana ny Fitondram-panjakana, toy ny hazo, ny fantsika, ny tady, hatramin’ny maritoa sy ny angady. Nampandraisina anjara tamin’ny fananganana ireo trano vaovao ireo ny mponina ary nisy teknisianina manam-pahaizana momba ny fampanarahana ny fenitra miaro amin’ny rivo-doza, nanara-maso ny asa. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fanolorana lakandrano mirefy 275 m, ho fanarian-drano sy handefasana rano hanondraka tanimbary, ho an’ny fokontanin’Ankofafa. Mpisitraka miisa 2 845 no hahazo tombony amin’ity fotodrafitrasa ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo