• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Vaovao nisongadina ny 11 hatramin’ny 17 septambra

19/09/2023 06:02 © Moov.Mg

Zaraina aminao indray ireo vaovao nisongadina teto amin’ny firenena nandritra iny herinandro lasa iny. Tao ireo vaovao ara-politika, ireo vaovao ara-toekarena sy sosialy samihafa.

Fantatra ny filaharan’ireo kandidà ao anaty bileta tokana

Tontosa ny alatsinainy 11 septambra lasa teo ny fisarihana ny laharana ofisialin’ireo kandidà 13 ao anatin’ny biletà tokana. Io laharana io no hampiasaina mandritra ny fifidianana filoham-pirenena ny 09 novambra ho avy izao, ary mandritra ny fampielezan-kevitra ihany koa araka izany.
Samy nisarika tsirairay avy izay ho laharany ireo kandidà, na ny solotenany. Izany dia natao teo ambanin’ny fanatrehan’ny vadin-tany telo. Ireto farany ihany koa araka izany no nanaramaso ny fisarihana sy nandray an-tsoratra ny valin’ny fisarihana.
Afrika Atsimo toerana hanontana ny biletà tokana
Ny alatsinainy 11 septambra teo, izany ihany hoe ny andron’ny fisarihana ny laharan’ny kandidà, ihany dia nanainga nitondra ny lasitry ny biletà tokana ny avy eo amin’ny CENI. Nihazo an’i Afrika Atsimo, izay firenena hisahana ny fanontana ireo biletà tokana, araka izany ny delegasiona izay notarihan’i Andrinarisedo Dama.
Ho fanajana ny mangarahara ao anatin’ny fikarakarana ny fifidianana dia manasa ireo kandidà ny CENI hanendry ny solontenany avy, hanatrika ny fivorian’ny vaomiera. Ny alatsinainy 18 septambra izao moa no hanatanterahana ny fivoriambe voalohany.

OMC NAT : Hampanjaka ny filaminana mandritra ny fifidianana

Ny Alakamisy 14 septambra teo no notontosaina teny amin’ny lapan’ny Mahazoarivo ny fivorian’ny Organe Mixte de Conception – National, izay notarihan’ny Praiministra Ntsay Christian. Niompana tamin’ny fikarakarana ny fifidianana izay ho avy ny dinika izay natao, fa indrindra ny fandaminana sy ny fepetra horaisina mandritra izany.
Tanjona iray ny an’ireo nandray anjara tamin’ny fivoriana, dia ny hanatanterahana fifidianana ao anatin’ny filaminana, satria ny fifidianana no hany làlana tokana hizorana hahafan’ny vahoaka malagasy mahazo filoham-pirenena amin’ny volana janoary 2024. Manao antso avo ho an’ny vahoaka Malagasy ts vaky volo ary ny OMC-NAT mba ho tony mandritra izao fotoana mampafana ny raharaham-pirenena izao.

Kakao : Hiditra ao anatin’ny tsena amerikana ny malagasy

Seha-pihariana iray anisan’ny miantoka ny toe-karena malagasy ny Kakao. Mpandraharaha sy tantsaha maro no mivelona amin’izany. Anisan’ireo vokatra fanondran’ny malagasy any ivelany ny kakao, ary tsy mitsaha-mivelatra izany.
Nisy ny fivoriana teo amin’ireo mpandraharaha malagasy miisa 30 ny herinandro lasa teo. Niompana tamin’ny fampiroboroboana ny sehatra amin’ny alàlan’ny fanitarana ny tsena izay andraisan’i Madagasikara anjara ny fihaonana tamin’izany. Niray feo ary ireo mpizaika fa hiezaka hiditra amin’ny tsena Amerikana manomboka izao. Manampy azy ireo hanatratra izany tanjona izany ny firenena amerikana, amin’ny alàlan’ny AGOA.

Foara Analamanga : Telo andro nanomezan-danja ny tantsaha

Nanomboka ny zoma ary tsy nifarana raha tsy ny alahady 17 septambra ny andiany voalohany amin’ny foara Analamanga, izay notontosaina tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Mpisehatra 240 isa no nanangana trano heva nandritra io telo andro io, fotoana izay nahafan’izy ireo nampahafantatra ireo karazana tolotra sy entana izay amidin’izy ireo, fa ihany koa nihaonana tamin’ireo mpandraharaha.
Seha-pihariana efatra lehibe no nomen-danja nandritra izany dia ny fambolena, ny fiompiana, ny jono ary ny asa-tànana. Maimaimpoana ny fandraisana anjara ho an’ireo mpisehatra, fa ihany koa ny fidirana ho an’ireo mpitsidika ny trano heva. Nifanome fotoana nandritra io telo andro io, araka izany, ireo tantsaha sy mpanao asa-tànana ato anatin’ny faritra Analamanga. Sava ranon’ando ihany moa no natao fa ny manetsa be mbola ho avy, hoy ny mpikarakara nanome toky.

Fifidianana ny mpikambana vaovao ao amin’ny filàn-kevitra ambonin’ny Mpitsara

Ny volana desambra ho avy izao no hifarana ny fotoam-piasan’ireo mpitsara mandrafitra ny Filàn-kevitra ambonin’ny Mpitsara eto Madagasikara na ny CMS. Hotanterahana tsy ho ela araka izany ny fifidianana ireo mpikambana vaovao.
Araka ny tapaka dia ny 20 Oktobra ho avy izao no hiroso amin’ny fifidianana ireo mpitsara handrafitra ny CSM mandritra ny telo taona manaraka. Fotoana izay haharetan’ny fotoam-piasan’ireo mpikamban’ny CMS araka ny didim-pitondrana laharana faha 25818 – 2023. Efa misokatra ny fametrahana ny taratasy filatsahan-ko fidiana ho an’ireo izay liana amin’izany, ary tsy hifarana izany raha tsy ny 20 septambra ho avy izao.

Mitohy ny fametrahana ireo taninketsa indostrialy

Ambohidratrimo sy Ankazobe indray no nisitraka orinasa mpanodina voatabia ho lasa ketchup nandritra iny herinandro iny. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa taninketsa indostrialy izay tanterahan’ny eo anivon’ny ministeran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana izany. Anisan’ireo district tena mpamokatra voatabia tokoa raha i Ambohidratrimo sy Ankazobe. Raha Ambohidratrimo fotsiny no resahana dia 27 770 taona eo ny voatabia vokariny isan-taona.
Hotrandrahana manomboka izao izany taham-pamokarana ambony dia ambony izany ho an’ireto distrika roa ireto. Tsy hijanona amin’ny famarotana voatabia amin’ny endriny mahazatra intsony izy ireo, fa hanomboka hanodina ny vokatra ao an-toerna ho lasa « ketchup ». Tanjona amin’izany ny hampiroboroboana ny toekarena any an-toerana, fa ihany koa ny fanatsarana ny andavan’androm-piainan’ireo tantsaha.

Angovo : Famokarana herinaratra 497 MW fanampiny ho an’i Madagasikara

Nahitana fitombony avo roa heny ny famokarana herinaratra teto Madagasikara tao anatin’ny dimy taona latsaka, araka ny nambaran’ny ministry ny Angovo sy ny Akoran’afo, Andriamanampisoa Solo.
Na dia teo aza ny valan’aretina Covid-19 dia afaka nampiakatra ny tahan’ny famokarana herinaratra hatrany amin’ny 497 MW ihany i Madagasikara, hoy hatrany ny ministra. Ny 130 MW tamin’ireo dia avy amn’ireo tobim-pamokarana mandeha amin’ny herin’ny masoandr, ny 250 MW dia avy amin’ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny rian-drano, ny 105 MW avy amin’ny … ary ny 12 MW kosa ho an’ny fampisitrahana herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohitra.
Misy amin’ireo herinaratra ireo no efa sitrahan’ny tokatrano manerana Nosy. Ao ihany koa ireo tetikasa famokarana herinaratra maro samihafa izay mbola tsy notokanana fa mbola an-dàlam-pahavitana, araka ny voalazan’ny minisitra hatrany.

Fiangonana katolika # Mgr Pascal Andriantsoavina

Tafapetraka amin'ny toerana maha-evekan'Antsirabe azy ny Monseigneur Pascal Andriantsoavina. Ny alahady 17 septambra lasa teo no nanatanterahana ny Sorona Masina lehibe fitsofan-drano azy, tao Antsirabe. Nanotrona izany tany an-toerana moa ireo kristiana katolika sy ireo olo-manan-kaja maro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo