• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Voyage À Madagascar
Image
Vaovao

Ambohimanga Rova : Niaka-dapa ny dahalo

19/09/2023 07:25 © Midi Madagasikara

Tsy lavitra fa etsy Ambohimanga, am-polony kilaometatra monja miala ny renivohitra. Tokatrano iray, ao amin’ny fokontany Ambodinarivo no notongavan’ny dahalo roalahy, izay nikasa ny hamoaka ny ombin’ny tompon-trano antsokosoko.

Soa ihany, henon’ny tompon-trano ny zava-nisy ary niantso zandary avy hatrany ity farany. Zava-niseho ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo.

Araka ny angom-baovao azo dia olona teo amin’ny fokontany ihany izy ireo, izay fantatry ny rehetra amin’ny solon’anarana hoe Ramaitra sy Dalisy. Tany ho amin’ny iray ambin’ny folo alina tany ho any izy ireo no niditra an-tsokosoko tao amin’io valan’omby io. Tsy mbola natory anefa ny tompon-trano tamin’io fotoana io ary henony ny zava-niseho tao an-tokontany. Nivoaka avy hatrany ilay rangahy tompon’omby ary nahatsikarita an-dRamaitra. Niezaka nanatona an’ity farany ilay rangahy siangy nitsoaka toy tsy teo ilay olon-dratsy. Nahare olona hafa nitsoaka ihany koa ity farany ary tsikariny fa ilay naman-dRamaitra antsoina hoe Dalisy io nitsoaka io. Niantso vonjy avy hatrany ity farany ary tsy ela tonga teny an-toerana ny zandary, niaraka tamin’ny sefo fokontany sy ireo andrimasom-pokonolona.

Rehefa notantarain’ity saika lasibatra ity ny zavatra hitany dia nandeha avy hatrany ny fanadihadiana sy ny velam-pandriaka nataon’ny zandary, hisamborana an’ireto dahalo mpamely an-tanana ireto. Adim-pamataranandro vitsy monja taty aoriana dia samy voasambotra izy roalahy ireto ary niaiky ny zava-dratsy nokasain’izy ireo atao. Samy notanana natao famotorana ao amin’ny biraon’ny zandary eny an-toerana moa izy roalahy ireto, miandry ny fanolorana azy ireo eny anivon’ny Fitsaràna.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo