• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Aoraha
Image
Vaovao

Terre-Rouge Maorisy : Vehivavy malagasy roa tratra teo am-pivarotan-tena

19/09/2023 10:14 © Moov.Mg

Vehivavy malagasy roa no tratra nivaro-tena tany Terre-Rouge Maorisy tamin’ny faran’iny herinandro lasa teo. Voasambotra niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny lehilahy iray avy any Bangladesh, izay voatondro ho mpampanofa azy ireo, ary ny tompon’ilay trano nahatrarana ireto vehivavy ireto, araka ny fitantaran’ny Defimedia.info.

Tambazotra mpivaro-tena

Fidinana ifotony nataon’ny polisin’ny (DCIU) Divisional Crime Intelligence Unit no nahatrarana ireto mpivaro-tena roa vavy ireto, rehefa naheno ny polisy fa misy tambazotra mpivaro-tena, ahitana Malagasy, ao Terre-rouge. Rehefa nanao ny fisavana ny mpitandro ny filaminana maorisianina dia tratra ny lehilahy tompon’ny trano, izay 62 taona. Samy tratra teo « amperin’asa » avokoa ireo vehivavy mpivaro-tena roa, 31 taona sy 33 taona. Samy nilaza ihany koa izy ireo fa ilay lehilahy avy any Bangladesh no manera azy ireo. Nazava ny fifanarahana tamin’izany, fa mifototra amin’ny fivarotan-tena no asa hampanaovina azy roa vavy.

Nalaina am-bavany sy nosamborina

Raha ny fitantaran’ilay lehilahy voatondro ho mpanera, izay notaterin’ny Defimedia.info hatrany, dia ilay tompon-trano no mpanome ny baiko. Samy nosamborina avokoa moa izy ireo, rehefa avy nalaina am-bavany teo an-toerana ihany. Ankoatra izay dia nahatrarana vola manodidina ny 8 000 000 Ar tany amin’ny iray amin’ireo vehivavy, izay nambarany fa vola azony tamin’ny alalan’ny fivarotan-tena avokoa. Ilay tompon-trano kosa dia niaiky fa mampanofa ny tranony mba hampiasaina ho amin’ny fivarotan-tena. Tsy manana taratasy manome azy alalana hampanofa ny tranony anefa izy. Araka ny fantatra moa dia efa lany andro ny taratasy ahafahan’ny iray amin’ireo vehivavy malagasy monina any Maorisy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo