• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Seces Antananarivo
Image
Vaovao

SECES sampana Antananarivo : Miankina amin’ny filàn-kevitry ny minisitra ny fiverenan’ny fampianarana

19/09/2023 14:15 © Moov.Mg

Hiverina hampianatra ireo mpampianatra mivondrona ao amin’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, na ny SECES sampana Antananarivo, raha ankatoavin’ny filàn-kevitry ny minisitra hatao rahampitso ireo didim-panjakana izay notakian’izy ireo efa tao anatin’ny fotoana lavalava izao.

Efa nisy fanamboarana natao

Nitohy androany maraina ny hetsika ataon’ny SECES sampana Antananarivo, araka ny fotoana efa nifanomezan’izy ireo. Tamin’izany no nilazan’ireo mpampianatra fa fitakiana mitombona no ataon’izy ireo ary tsy misy afenina. Raha ny momba ireo didim-panjakana izay takian’ny sendikà manokana, dia efa nisy fanamboarana nataon’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, ka tokony hiditra ao anatin’ny Filàn-kevitry ny minisitra rahampitso izany, araka ny fanazavana nomen-dRazafimahefa Rasoanimanana, mpampianatra ao amin’ny taranja jeografia, ao amin’ny Fakiolten'ny Teny aman-tsoratra sy Siansa maha Olona. Manantena ireo mpampianatra, araka izany, fa hahazo valin-teny azo tsapain-tanana izy ireo.

Antom-pitakiana maro

Efa roa volana sy tapany moa izao no nanajanona ny fampianarana ireto mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ireto. Raha tsiahivina dia misy karazany maromaro ireo antom-pitakiana ataon’ny SECES, tsy mbola nahazoan’izy ireo valiny mahafapo ary mahatonga ny fikatsoan’ny fampianarana eny amin’ny Ambaratonga ambony ankehitriny. Isan’izany ny fandoavana ny ora fanampiny sy ny “vacations” tapany faharoa ho an’ny taom-pianarana 2018-2019 hatramin’ ny taom-pianarana 2021-2022. Takian’izy ireo, ankoatra izay, ny hamoahana ny volavolana didim-panjakana ho fampiharana ny lalàna 2021-005, momba ny sata manokan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra. Eo an-kilan’izay dia mbola tsy nandray ny “indemnité de recherche” ireo mpampianatra mpikaroka efa nisotro ronono nanomboka ny taona 2018.

Mandrapivalin’ireo fitakiana ireo, araka izay andrasan’ireo mpampianatra mivondrona ao amin’ny SECES sampana Antananarivo, dia miato aloha ny fampianarana. Misy hatrany kosa ny fanohanan-kevitra (soutenance), ho an ireo olona nahavita fikarohana (thèse).

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo