• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Tarbet7.Fr
Image
Vaovao

Botry rendrika tany Morondava : vokatry ny fandalovan’ny rindrin-drahona tao atsimon’i Madagasikara

19/09/2023 14:36 © Moov.Mg

Nitondra fanampim-panazavana momba ny antony nahatra-doza ilay botry tany Morondava omaly, ny foibe famantarana ny toetry ny andro androany, ary nampahatsiahy ny amin’ny tokony hanarahan’ny rehetra ny toromarika momba ny fiovaovan’ny toetry ny andro, ho fisorohana ny loza.

Hatrany amin’ny morontsirak’i Afrika

Raha ny fanazavan’ny teknisianin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro dia nisy rindrin-drahona (front météorologique) nandalo tao atsimon’i Madagasikara, antony nahatonga fiakaran’ny ranomasina. Nahatratra hatrany amin’ny 4m hatramin’ny 5,50m mihitsy ny haavon’ny onjan-dranomasina vokatr’izany, nanomboka omaly ka hatramin’ny rahampitso maraina, noho ny fisian’io rindrin-drahona io. Ny fari-dranomasina eo anelanelan’i Morondava hatrany Taolagnaro sy ny fari-dranomasina eo anelanelan’i Besalampy hatrany Morondava no tena voakasik’izany. Manodidina ny 3 metatra kosa ny haavon’ny ranomasina eo anelanelan’i Taolagnaro hatrany Vangaindrano. Tsara ny manamarika fa tonga hatrany amin’ny morontsirak’i Afrika ity fiakaran’ny raomasina ity.

Onjan-drano vaventy

Efa nisy ny fampitandremana navoakan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo, fa hisy onjan-drano vaventy any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary atsimo atsinanan’i Madagasikara. Mbola mitoetra hatramin’ny rahampitso maraina izany fampitandremana izany, fa manomboka hihena tsikelikely kosa rahampitso tolakandro. Noho izany dia ilaina ny manaraka ireo fepetra sy toromarika avy amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, ny antokon-draharaha misahana ny Fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF), na ny manam-pahefana isan-tsokajiny eny ifotony, mba tsy hisy intsony ny loza tahaka ity niseho teo amin’ny vava-ranon’i Betania tany Morondava ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo