• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Infosante24
Image
Vaovao

Analanjirofo : Nisokatra ny taom-piotazana jirofo

29/09/2023 09:09 © Midi Madagasikara

Faritra Analanjirofo : Nisokatra ny alarobia lasa teo ny taom-piotazana

80 isan-jaton’ireo mponina any amin’iny faritra Analanjirofo iny dia saika mivelona amin’ny fambolena jirofo avokoa. Nisokatra ny alarobia lasa teo ny taom-piotazana izany jirofo izany, tamin’ity taona ity, any amin’iny faritra iny. Tao amin’ny kaominina ambanivohitra Antanifotsy, ao amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo, no nanokafana izany tamin’ny fomba ofisialy tamin’io andro io. Tonga nanantanteraka izany moa ny governoran’ny faritra Dr Marcellin Randriamanantena, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy, ary notronin’ny Lehiben’ny distrikan’i Soanierana Ivongo. Azo lazaina fa tsara fanombohana ity taom-piotazana ity, hoy ny fanazavana azo.

Satria raha ny fantatra dia nanomboka tamin’ny vidiny roa alina ariary eo ho eo ny vidin’ny iray kilao amin’ity vokatra fanondrana ity. « Heverina fa mbola hiakatra hatrany izy io » hoy hatrany ny fanazavana azo. Tamin’io fotoana io moa dia nanararaotra nanome toromarika ho an’ireo tantsaha ny governora. Velombolo tanteraka ireo vahoaka ary naneho fankasitrahana ny fitondram-panjakana ny ben’ny tanànan’Antanifotsy. Nirary ihany koa ny tenany ary nangataka ny mba hitazomana hatrany io vidin’ny jirofo io.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo