• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

« Du jardin à la table » : Ahitana karazan-tsakafo miavaka sy vokatra ara-pambolena tsy fahita firy

29/09/2023 15:43 © Moov.Mg

Andro faharoa androany, ho an’ilay hetsika « Du jardin à la table », izay karakarain’ny AFT Andavamamba ary tohanan’ny Telma Madagascar. Mpandray anjara maro karazana no hita eny an-terana, manomboka amin’ireo vokatra ara-tsakafo, ka hatramin’ny tolotra ara-pambolena isan-karazany.

Tolotra maro momba ny sakafo

Ambohipihaonan’ireo mpankafy fambolena sy ireo tia sakafo ny eny amin’ny Alliance Française Antananarivo, hatramin’ny omaly. Natambatra ho iray ao anatin’ity hetsika « Du jardin à la table » ity mantsy ireo hetsika roa efa nisy teo aloha, dia ny «Salon de la Gastronomie» sy ny «Salon du Jardin» izany. Tolotra maro momba ny sakafo no hita eny an-toerana, toy ny saosisy sy koba mampiavaka an’i Talatavolonondry, izay efa be mpahalala sy maro Mpankafy. Ao koa anefa ireo karazan-tsakafo tsy mbola mahazatra loatra ny mpanjifa malagasy, toy ny hena sy tsakitsaky vita amin’ny soja, ny voankazo sy legioma namainina, ny saosy vita amin’ny betiravy na voamadilo, ny sôkôla niangaliana manokana misy hanitra miavaka…

Atrikasa sy ny famelaberan-kevitra

Ny vokatra momba ny zaridaina sy ny fambolena ihany koa dia manana ny toerany ao anatin’ireo trano heva maro mpandray anjara. Ao ireo zana-kazo sy zana-boninkazo azo jifaina amin’ny vidiny mirary, ireo voninkazo efa mamelana, ireo masomboly voafantina, ireo zezika ara-biôlôjika, ireo akora miaro amin’ny bibikely, ny tavim-boninkazo… Etsy an-daniny, miranty eny koa ny asa tanana vita amin’ireo akora voajanahary eto Madagasikara, toy ny rofia. Ny Telma Madagascar moa dia nitondra ny vokatra Mbalika, ilay jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro. Ankoatra izay dia nomena anjara toerana ihany koa ny atrikasa sy ny famelaberan-kevitra manodidina ny tontolon’ny haify sy ny fambolena. Raha ho an’ny androany tolakandro manokana, dia ny Andrin’ny Aina, no nitarika ny atrikasa momba ny fambolena maharitra, na ny « permaculture ».

Haharitra hatramin’ny rahampitso sabotsy 30 septambra ny hetsika « Du jardin à la table ». Manodidina ny 50 ny isan’ireo mpandray anjara ao anatin’ny hetsika, izay samy miezaka ny manolotra zavatra miavaka sy manintona avokoa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo