• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Anr
Image
Vaovao

Andry Rajoelina : Manameloka ny fambolena krizy politika vaovao

01/10/2023 20:54 © Moov.Mg

Andry Rajoelina : Nanao lahateny ho an'ny vahoaka Malagasy tamin'ny 8 ora alina teo.

Fohy sady mazava ny lahatenin'i Andry Rajoelina, rehefa nivoaka tamin'ny fahanginana ny tenany. Roapolo minitra no nitafany, nanambarany ny fijeriny manoloana ny raharaha politika mafana eto amin'ny firenena.

Fanajana ny lalàm-panorenana

"Aza korontanina ny firenena raha tena tia tanindrazana", hoy i Andry Rajoelina. Hentitra ny filoha teo aloha sady kandida, tamin'ny lahateniny, indrindra moa manoloana ny fikasan'ireo kandidà hafa hanatanteraka hetsika hanaovana fitakiana manokana. Nambarany àry fa efa fanajana ny lalàm-panorenana ny fametraham-pialana izay nataony, noho ny filatsahany ho fidiana ho filoham-pirenena indray. I Madagasikara mantsy no anisan'ireo firenena miavaka nametraka sady manaja izany lamina izany. Fanajana ny lalam-panorenana ihany koa ny fanjana ny fandaminana rehetra ataon'ny CENI, satria io rafitra io no efa napetraka manokana hisahana ny fifidianana. Tsy adinon'i Andry Rajoelina ny nampahatsiahy fa mila mahatoky ny Fitsarana Avo Momba ny Lalam-panorenana ny vahoaka Malagasy.
"Mpomba ny ara-dalàna", hoy hatrany izy, ireo mpomba azy.

Fanehoana hevitra misy fetrany

"Tsy azo atao, ary voararan'ny lalàna ny famporisihana amin'ny fanavakavahana, amin'ny fankahalana, amin'ny herisetra, ny fanaparitahana hevitra fampiadivana ara-poko", araka ny voalazan'ny lalàna fototra mikasika ny zon'olombelona. Ho an'i Andry Rajoelina manokana, misy tokoa ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra eto amin'ny firenena, saingy tsy tokony hanararaotana hambolena korontana izany. Ny tombontsoan'ny maro an'isa no mila jerena. "Aza korontanina ny firenena raha tena tia tanindrazana", hoy ny tenany. Nitondra fanentanana izy mba hanjakan'ny fifankatiavana eto amin'ny firenena, mba isorohana ny krizy vaovao, hahatonga fahasimban'ny foto-drafitrasa maro sy hampahantra ny Malagasy maro an'isa indray.

Fifanoherana

Samy nampiseho ny heriny androany alahady 1 oktobra na i Andry Rajoelina na ireo kandida mivondrona manohitra azy. Nisy ihany koa mantsy ny fandaharana notontosain'ireo "Collectif des candidats". Rahampitso alatsinainy 2 oktobra no mikasa hidina an-dalambe ireto farany, hanatontosa hetsika hanaovana fitakiana ara-politika. Andrasana ny tohin'izany vaovao ara-politika izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo