• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 25 septambra hatramin’ny 01 oktobra 2023

02/10/2023 05:29 © Moov.Mg

Zaraina aminao androany indray ireo vaovao nisongadina nandritra ny herinandron’ny 25 septambra. Nanamarika izany manokana ireo vaovao ara-toekarena sy ara-tsosialy, teo ihany koa ireo vaovao mahakasika ny fifidianana.

Pipeline Efaho : Tonga tao amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala

Ny alatsinainy 25 septambra lasa teo no nigadona tao amin’ny seranan-tsambon’i Taolagnaro ny sambo nitondra ny ampahany voalohany amin’ny fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana ny fantsona lehibe hamatsy rano ny faritra atsimo iny. Fantsona « pipeline » 1000 isa ireo ampahany tonga ireo, ary 11 km ny refin’ny fantsona ho vitany.

Hiantoka ny fitaritarana rano miainga avy eo amin’ny reniranon’i Efaho miainga eo Esalo faritra Anôsy izy ity, ary ho tonga hatrany Ambovombe, faritra Anôsy. Raha tsiahivina dia tetikasa iarahan’ny ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny. Tanjona voalohany amin’izany fitarihana rano izany ny hanamafisana ny ady amin’ny hain-tany miverimberina sy ny kere. Hiantokany fisitrihan’ny mponina any an-toerana rano fisotro madio ihany koa izany.


Copyright Image : © PRM

Kandida 11 : Tsy mitsahatra ny fivoriana

Ny talata 26 septambra lasa teo no noraisin'ny FFKM ireo "Collectif des candidats". Dinika mikasika ny fifidianana moa no tena natao na dia tsy nisy aza ny fanambarana ofisialy nitambarana. Nanambara kosa nefa ny filohan'ny FFKM fa samy vonona ny hitady ny tombontsoa ambonin'ny firenena ny mpandray anjara rehetra. Nisy ihany koa ny fihaonana tamin'ny solotena maharitry ny Firenena mikambana teny Andraharo.


Copyright Image : © TR

Fifidianana : Tsy miandany amin’ny antoko politika ny FFKM

Miantso amin’ny fitandroana ny fihavanana sy ny fahamarinana ny FFKM, mandritra izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao. Tsy miandany amin’ny antoko politika izy ireo, ary tsy nisy resaka fifanarahana ara-politika mihitsy ny dinika niarahana tamin’ireo kandida 12 nandritra iny herinandro iny, araka ny nambaran’ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi, filohan’ny FFKM.
Miantso ny malagasy tsivakivolo, hitrotro am-bavaka ny firenena izy ireo. Mangataka ny hitrotrona ambavaka azy ireo ihany koa ny FFKM manoloana ny asa sarotra sy mankadiry izay iantsorohan’izy ireo. Isaky ny amin’ny 08 ora alina no fotoana hanaovana vavaka fifonana sy fangatahanam-pitahiana ary hitondràna am-bavaka ny fampihaonana ireo kandida.


Copyright Image : © TR

Andry Rajoelina : Manameloka ny fanakorontanana

Heverina fa hitondra ho amin'ny krizy politika indray ny hetsika izay kasain'ny "Collectif des candidats". Ny hampitoniana ny raharaha politika mafana indrindra no nivoahan'i Andry Rajoelina tamin'ny fahanginany. "Aza korontanina ny firenena raha tena tia tanindrazana", hoy ny tenany tamin'ny lahateniny omaly 1 oktobra. Araka ny namnarany hatrany, efa tsara lamina ireo rafitra izay misahana ny fifidianana sy ny fitsarana mifanandrify amin'izany. Mila mahatoky ny CENI sy ny HCC araka izany ny vahoaka tsy an-kanavaka.


Copyright Image : © ANR

HayFidy : Manohana ny masoivoho Soisa

Hanampy ny Transparency International amin’ny fanontana ny HayFidy ny maisovoho Soisa eto Madagasikara. Raha tsiahivina dia fitaovana napetraky ny avy eo amin’ny Transparency International ny HayFidy mba hanampiana ny olom-pirenena malagasy hanao safidy voazava sy voasaina tsara. Tanjona amin’izany ny mba hahafahan’ireo olom-pirenena mifantoka amin’ny hevitra voizin’ireo kandidà sy mandalina izany mba hahafan’izy ireo misafidy, fa tsy ho mora rebirebena amin’ny vola na zavatra zaraina.


Copyright Image : © TI-IM

Fifidianana : Te hitondra ny anjara birikiny ny sendikan’ny mpiasa malagasy

Mitaky ny hampidirina azy ireo ao anatin’ireo fihaonana fiaraha-midinika isan-karazany ho fitadiavam-bahaolana momba ny fifidianana ireo sendikan’ny mpiasa malagasy ny talata 26 septambra lasa teo. Mahatsiaro manan’andraikitra sy manana hevitra afaka hampivoatra ny toe-draharaha amin’izao toe-java-misy mampisavorovoro ny firenena izao izy ireo.
Mahatsiaro ho atao an-jorom-bala sy atao tsinontsinona anefa izy ireo ka mitaky ny hiantsoana azy ireo amin’ireo fihaonana fiaraha-midinika. Manome herinandro ireo mpanao politika sy ireo mpisehatra voakasik’izany ihany koa ity vondron’ny sendikan’ny mpiasa malagasy ity, mba hirosoana amin’ny fifampidnihana alohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana.


Copyright Image : © Lenningen

RN11A : Ho vita afaka dimy volana

Mandroso ny asa fanamboarana ny làlam-pirenena faha-11 na ny RN11A. Afaka dimy volana dia ho vita ity làlana mampitohy an’i Vatomandry sy Mahanoro ity. Làlana mirefy 85 km no havaozina amin’izany. Eo Vatomandry eo amin’ny teboka halaviran-dàlana PK 53+000 no nanombohana ny asa ary eo amin’ny halaviran-dàlana PK 138+000 kosa no hifaranan’izany ao Mahanoro.
Anisan’ireo làlam-pirenena nahitana fahasimbana goavana ity RN11A ity ka tsy maintsy nirosoana ny fanavaozana azy. Asa manaraka ny fenitra no hatao, araka ny fampitam-baovaon’ny ministeran’ny Asa Vaventy. Mbola hisy ihany koa ny asa hafa hotanterahana amin’iny làlam-pirenena iny fa ato anatin’ny dimy volana ahoha dia io ampahan-dàlana mampitohy an’i Vatomandry sy Mahanoro io no hovitaina.


Copyright Image : © MTP

Ntsoa VHF : Nahembotra ny fitsarana ny raharaha

Ny alakamisy 28 septambra teo niakatra fitsarana ny raharaha mahakasika ny famonoana feno habibiana an’i Rabemanantsoa Andriatiana, fantatra tamin’ny anarana hoe Ntsoa VHF. Voatery nahembotra ho amin’ny fotoana hafa anefa ny fotoam-pitsarana mahakasika ity heloka bevava ity noho ny tsy fahatongavan’ny ankamaroan’ireo olona voaroiroy.
Raha tsiahivina dia olona miisa sivy no voaroiroy tamin’ity raharaha ity. Nisy tamin’izy ireo no tsy naharay taratasy fiantsoana ka tsy tonga nanatrika ny fotoam-pitsarana. Nahembotra ho amin’ny fotoana hafa ny fiakaran’ny raharaha eo anivon’ny fitsarana heloka bevava noho izany. Ankoatra izay dia olona telo voasaringotra tamin’ny raharaha, dia i Rasoloarisoa Valeria, i Rambola Maminirina Hasina Pascal ary i Rafalinantenaina Antoine no nangataka fahafahana vonjimaika, izay tsy neken’ny fitsarana.


Copyright Image : © VHF

Fela Razafinjato - Nahazo mari-boninahi-pirenena

Notoloran’ny fitondram-panjakana ny mari-boninahi-pirenena Chevalier de l’Ordre National i Fela Mijoro Razafinjato, amin'ny maha-mpanoratra azy. Nanamarika ny tantarany ihany koa ny ezaka goavana nataony ho an'ireo olona manana fahasembanana toa azy. Ho porofon'izany ny namoahana ny boky "Ny diako", izay mitantara ny sedra nodiaviny, ny asa sy ny ezaka nilofosany na dia teo aza ny fahasembanana ara-batany.


Copyright Image : © MSK

Nisokatra ny taom-piotazana jirofo ao Analanjirofo

Nisokatra ny alarobia 27 septambra teo ny taom-piotazana jirofo tao amin’ny distrkan’i Soanierana Ivongo, faritra Analanjirofo, ho amin’ity taona ity. Tsara fanombohana ity taom-piotazana ity amin’ny ankapobeny, araka ny nambaran’ny lehiben’ity distrika ity. Manomboka amin’ny roa alina ariary eo ho eo ny vidin’ny iray kilao amin’ny jirofo ary heverina fa mbola hiakatra hatrany izany vidiny izany, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny distrika hatrany.


Copyright Image : © David Vanille

Andro maneran-tany ho an'ny fandrindram-piterahana

Nankalazaina tao Manakara ny ivon'ny andro maneran-tany ho an'ny fandrindram-piterahana. Nandritra ny hetsika dia nisy ny fizaham-pahasalamana sy torohevitra maimaim-poana nomena ireo izay liana tamin'izany. Marihana moa fa afaka miroso amin'ny fandrindram-piterahana avokoa ny tovovavy na ny vehivavy, eny fa na mbola latsaky ny 18 taona aza.


Copyright Image : © MSP

Tiberkilaozy : Hitadiavana vaksiny vaovao
Aretina anisan’ny mbola mahafaty olona an’alina maro isan’nandro maneran-tany ny aretina raboka na tiberkilaozy. Raha ny eto Madagasikara no jerena dia olona 132 amin’ny 100 000 eo no vohan’ity aretina ity ny taona 2018. Manoloana ny mbola firongatr’ity aretina ity dia napetraka ny paik’ady vaovao hahafahana miady amin’ity areti-mifindra ity. Noresahana nandritra ny fivoriana an-tampon’ny Firenena Mikambana tany New York izany ny Zoma lasa teo.
Hatreto dia tsy misy afa-tsy ny vaksiny BCG no fampiasa entina hisorohana ny raboka. Tsy mahaaro tanteraka anefa izany, ka ilaina ny mitady vahaolana manoloana izany. Nisy araka izany ny roson-kevitra izay miompana amin’ny fikarohana vaksiny vaovao hafa mahomby kokoa hiarovana amin’ity aretina ity. Antenaina hahazo fankatoavana haingana izany.


Copyright Image : © L'Express de Madagascar

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo