• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Delegasiônan'ny Firenena Mikambana : miantso fifampidinihana anaty fitoniana hatrany

02/10/2023 08:45 © Moov.Mg

Miantso ireo herivelona rehetra voakasiky ny zotram-pifidianana hotanterahina amin'ny 9 novambra 2023 ny delegasiônan'ny Firenena Mikambana namita iraka teto amintsika, mba hijoro ho tena tomponandraikitra, tao anatin'ny fanambarana navoakany omaly 1 oktobra 2023.

Nanamafy ny fanohanan'ny rafitry ny Firenena Mikambana ny fifidianana eken'ny rehetra sy mangarahara ihany koa izy ireo, ao anatin'ny tontolo sosialy sy politika feno fitoniana, mba ho fanajana ny demokrasia.

Nihaona tamin'ny herivelona rehetra

Ny 26 hatramin'ny 30 septambra teo ireo delegasiônan'ny Firenena Mikambana no namita iraka teto Madagasikara. Nihaona tamin'ireo tomponandraikitra maro samy hafa teto amin'ny firenena sy tamin'ireo herivelona rehetra manana andraikitra mivantana amin'ny zotram-pifidianana izy ireo, nandritra izany, toy ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta ifandrimbonana, ny filohan'ny Antenimierandoholona, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny Fifidianana, ny mpikamban'ny governemanta, ny kandida ho filoham-pirenena, ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, ny firaisamonim-pirenena ary koa ireo masoivoho vahiny miasa eto amintsika. Nitarika izany delegasiôna izany ny solontena manokan'ny sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana eo anivon'ny Firaisambe Afrikanina, Parfait Onanga-Anyanga.

Hihetsika ny vondron'ny kandida

Nanentana ireo herivelona rehetra ny delegasiônan'ny Firenena Mikambana, ao anatin'ity fanambarana ity, mba hijery hatrany ny tombontsoa ambonin'ny firenena, ka hitady vahaolana amin'ny fifandirana misy ankehitriny, amin'ny alalalan'ny fifampidinihana ao anatin'ny firahalahiana ary koa mba tsy hivaona amin'ny Lalàmpanorenana malagasy. Izany dia mba hanamafisana ny fifampitokisana, izay fototry ny disadisa ao anatin'izao fanomanana ny fifidianana izao. Nohamafisin'ny Firenena Mikambana fa manana zo haneho hevitra sy hivory ny ankolafin-kery rehetra misy, fa tokony atao ao anaty fandriampahalemana izany. Tsiahivina fa mitarika ireo mpomba azy ireo ho avy eny amin'ny kianja 13 mey ny fivondronan'ny kandida androany alatsinainy 2 oktobra, rehefa nahatsapa fa nandamoka ny hetsika rehetra nataon'izy ireo hatramin'izay, manoloana ireo lazain'izy ireo fa fandikan-dalàna misy eto amin'ny firenena. Ny Organe mixte de conception (OMC) Tanà kosa dia efa nanambara, fa hisy ny fepetra horaisin'izy ireo, satria tsy nahazoana alalana io hetsika kasain'ny vondron'ny kandida hatao io.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo