• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Rado
Image
Vaovao

Rado mpanoratra : nankalazaina omaly ny faha-100 taonany

02/10/2023 14:47 © Moov.Mg

Nankalazaina omaly 1 ôktôbra 2023 ny tsingerintaona faha-100 nahaterahan’i Georges ANDRIAMANANTENA, izay fantatra indrindra amin’ny solon’anarana maha-mpanoratra azy hoe : Rado. Teny amin’ny amin'ny FJKM Tranovato Faravohitra no nanamarihan’ireo taranany sy ireo mpankafy azy izany, omaly tolakandro.

Nodimandry teo amin’ny faha-85 taonany

Tsy zoviana intsony amin’ny Malagasy izany Rado izany. Ny 01 oktobra 1923 izy no teraka. Ny mpitandrina ANDRIAMANANTENA Gaston no rainy. RAZAFINDRAFARA kosa no anaran’ny reniny. Niteraka enina mianadahy tamin-dRAVOLOLONA Edwige, vadiny i Rado, ka vavy ny 4 ary lahy ny 2. Ankehitriny moa dia ny mianadahy amin’izy ireo no sisa velona, dia i Ony RAZAFINDRAFARA sy Solofo Andry ANDRIAMANANTENA. Ny 15 septambra 2008 kosa no lasa any amin’ny varo-tsy mifody i Georges ANDRIAMANANTENA, rehefa nivahiny 85 taona teto an-tany ary ao amin’ny fasan’ny fianakaviana Andriamanantena ao Anjanahary, izay mitondra ny anarana hoe : « Makpela » izy no milevina.

Mpanoratra sady mpanao gazety

Raha ny boky mirakitra ireo asa-sorany no tanisaina dia namoaka ny « Dinitra » izy tamin’ny taona 1973 ; « Ando » tamin’ny taona 1977 ; « Zo » tamin’ny taona 1989 ; « Sedra » tamin’ny taona 1993 ; « Ny teny Malagasy » tamin’ny taona 1994 ; « Tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany », tamin’ny taona 2002 ; « Voninkazo adaladala » tamin’ny taona 2003 ary « Fiteny roa » tamin’ny taona 2005. Misy amin’ireo asa-sorany no voadika amin’ny teny frantsay, anglisy, alema, ary rosiana. Nanoratra tononkira ihany koa i Rado, ankoatra ireo tononkalony izay nohirain’ireo mpanakanto maro samihafa. Nianatra ny asa fanaovan-gazety tao amin’ny Ivon-toeram-pampianarana ambony iraisam-pirenena momba ny asa fanaovan-gazety, tao amin’ny oniversiten’i Strasbourg izy. Niara-nanorina sy niandraikitra ny « Gazety Hehy » tamin'i Célestin ANDRIAMANANTENA rahalahiny izy, teo anelanelan’ny taona 1975 hatramin’ny 1977 no nanaovany izany asa izany.

Nanana talenta maro

Tsara ny mahalala fa avy amin’ity ohabolana ity no niavian’ilay solon’anarana « Rado » : "Voahangy mitoham-bolamena, raha misaraka tsy ampy ho rado". Ary dia Rado nandravaka ny tontolon’ny literatiora sy ny kolontsaina malagasy tokoa i Georges ANDRIAMANANTENA. Mpikambana tao amin’ny UPEM (Union des Poètes et Ecrivains Malgaches) " HAVATSA " sy ny FI.MPI.MA (Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy) Rado, ankoatra ny naha-mpikambana mahefa azy tao amin'ny Akademia Malagasy. Ankoatra ny asa soratra dia nankafy nanao sary hosodoko ihany koa izy. Tena nanan-talenta i Rado, satria efa nataony ihany koa izany paikafo (pyrogravure) izany, talenta izay nolovain’ny zanany, Solofo Andry ANDRIAMANANTENA na A.S Andry, sy mbola tohiziny hatramin’izao. Nanao Tosi-by (métal repoussé) sy kiky fitaratra (gravure sur verre) ihany koa i Georges Andriamanantena. Ankoatra ireo dia fialamboliny ny manjono.

Boky naverina natonta

Ho fanamarihana ity tsingerin-taona faha-100 nahaterahan’i Rado ity dia nisy ny fanontana indray ny kapila mangirana « Hafatra I », izay ahenoana tononkalo 24 isa, notsongain’i Rado tao amin’ny « Dinitra ». Marihina fa izy tenany mihitsy no miantsa ireo tononkalo ireo ao. Naverina natonta ihany koa ny bokin-tsianjery « Ando », izay navoakan’i Rado mba hikolokoloana indrindra ao amin’ny ankizy malagasy ny fitiavana ny ankohonana sy ny firenena. Nomarihina tamin’ny antsampanahy teny amin’ny FJKM Tranovato Faravohitra kosa ity fankalazana ity, omaly.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo