• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Niu Raza : Hanolotra fampisehoana in-droa miantoana ho an’ireo mpankafy

13/03/2024 13:40 © Moov.Mg

Herinandro monja taorian’ny nivoahany, dia efa lany avokoa ireo tapakila ho an’ny fampisehoan’i Niu Raza, izay hotontosaina amin’ny alahady 17 martsa ho avy izao. Mba ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy, dia nanapa-kevitra ny mpikarakara fa hanampy daty iray hafa, hihaonana amin’ity mpanakanto ity.

Seho roa tsy mitovy

Ankoatra ny datin’ny 17 martsa dia hanatanteraka fampisehoana eto Antananarivo ihany koa i Niu Raza, ny 24 martsa izao. Samy ao amin’ny CC ESCA Antanimena avokoa no hiaonany amin’ireo mpankafy, mandritra ireo andro roa ireo. Samy haharitra adin’ny roa eo ho eo avy ny seho, saingy tsy hitovy tanteraka, hoy i Ony Razafindratandra, fantatra amin’ny anarana maha-mpanakanto azy hoe : Niu Raza. Na ireo hira holalaovina, na ny seho entiny mandravaka ny fampisehoana, dia hisy hampiavaka azy avokoa, araka ny fanazavany. Araka izany, na ireo efa ho avy hifampizara fotoana mamy aminy, amin’ilay daty voalohany aza, dia mbola afaka manotrona azy ihany koa, amin’ilay daty faharoa, fa hahita zava-baovao foana.

Miara-manandratra ny kanto

Ao amin’ny « Ticket place » no azo ividianana ny tapakila, hoy i Henintsoa Randrianarison, avy ao amin’ny Studio 58, mpikarakara ny fampisehoana. Isan’ny mpanohana ireo fampisehoana hotanterahin’i Niu Raza ireo kosa ny Telma. Manana anjara biriky amin'ny fiarahamonina sy ny kanto malagasy ny Telma, ka tsy misalasala manoina ny antso rehefa ilaina, hoy i Henintsoa Randrianjatovonarivo, tomponandraikitry ny seraseran’ny orinasa. Izany no antony anohanan’ny Telma ny hetsika. Mitovy rahateo ny vina, dia ny fanandratana avo ny voninahitr’i Madagasikara, tahaka ny ataon’i Niu Raza, izay manana ny toerany tanteraka ao anatin’ny mozika, na eto an-toerana na any ivelany. Etsy an-daniny, maro ireo tanora malagasy manan-talenta sy tsara tohanana, hoy hatrany i Henintsoa Randrianjatovonarivo, antony iarahan’ny Telma miasa amin’ny Studio 58.

Gadon-kira mifangaro

Raha tsiahivina dia gadon-kira somary mifangaro fironana isan-karazany izay no voizin’i Niu Raza. Ny « jazz », hoy izy no nianarany, ka somary maka izay endrika « jazz » foana ny hirany rehetra. Amin’ny maha-malagasy azy, sy noho izy efa nonina tao Afrika anefa, dia hita taratra ao anatin’ny hirany foana, ny fironana avy amin’ireo kolontsaina ireo. Ary satria any Etazonia izy no monina ankehitriny, dia tsy maintsy manao mozika manakaiky ny sofin’ny amerikanina ihany koa izy, hoy ny fanazavany. Ny azo antoka kosa dia « tsy maintsy miverina amin'ny maha-gasy ahy foana aho », hoy i Niu Raza. Hatreto aloha dia tsy misy ny fampisehoana hotanterahina any amin’ny Faritra, satria mila fanomanana kokoa izany, hoy izy, nefa mandalo ihany izy no eto an-tanindrazana. Any ivelany kosa dia handray anjara amin’ny Tsika Jiaby Festival hatao any Parisy i Niu Raza, amin’ny volana mey, ary handray anjara amin’ny hetsika hotanterahina any Montréal sy Québec ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo