• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Onim
Image
Vaovao

Tontolon’ny fitsaboana : Mpisandoka ho infirmiera 45 isa no efa tratra

13/03/2024 14:34 © Moov.Mg

Efa nanatanteraka ny fanadiovana ny tontolon’ny mpitsabo mpanampy, ny Holafitry ny Infirmiera eto Madagasikara (ONIM). Efa nisy ireo tratra, fa mbola tsy nisy kosa hatreto ny fampiakarana Fitsarana.

Namporisihina hianatra

Hatreto dia miisa 45 ireo nisandoka ho infirmiera izay najanona tamin’ny asany, taorian’ny fanadiovana nataon’ny Holafitry ny Infirmiera eto Madagasikara. Tsy nisy aloha hatreto ny fepetra hafa noraisina, ankoatra ny fampijanonana azy ireo tamin’izany asa nosahaniny izany, nefa tsy ananany fahaiza-manao sy diplaoma, hoy ny filohan’ny ONIM, Andrianarison Jean-Aimé Botosera. Fifampiresahana no natao tamin’izy ireo, narahana torohevitra ny amin’ny tokony hiverenan’izy ireo mianatra aloha, mba hahafehezany ity asa sarotra sy miankina aman’aina ity. Raha toa kosa mbola misy ny minia manohy ny asan’ny infirmiera ihany, amin’izy ireo, dia hiroso amin’ny fitondrana ny raharaha eo anivon’ny Fitsarana amin’izay ny ONIM.

Mila misoratra anarana

Tsy mijanona hatreo, fa mbola mitohy ny ady ataon’ny ONIM, hoy hatrany ny filohan’ny Holafitry ny Infirmiera, satria tsy azo ekena ny olona tsy manana diplaoma, sy ny olona tsy voasoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny Holafitry ny Infirmiera, nefa manao ity asa ity. Araka izany, mbola amporisihina hatrany ireo rehetra infirmiera nahavita fianarana, mba hiditra ho mpikambana ao anatin’ny ONIM. Isan’ireo harahi-maso akaiky ihany koa ireo toeram-pampianarana « Paramed », izay tsy manaraka ny fenitra ny fampianarana omeny, ary koa ireo mivarotra diplaoma amin’olona tsy nianatra akory.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo