• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Université De L'Itasy
Image
Vaovao

Ambaratonga ambony : Hotokanana tsy ho ela ny oniversiten’Itasy sy Analanjirofo

14/03/2024 09:49 © Moov.Mg

Ho voakasiky ny fatsarana avokoa, na ny fotodrafitrasa, na ny praogramam-pampianarana, na ny lentam-pahaizan’ireo mpampianatra eny amin’ny ambaratonga ambony, indrindra amin’ireo oniversite manakaiky vahoaka vao naorina, araka ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra notontosaina omaly.

Oniversite maoderina

Noezahina mba ho maoderina ireo oniversite vao naorina, ka ahitana tranomboky, laboratoara, efitrano lehibe fanaovana fanohanana, efitrano ara-informatika, efitrano fivoriana, efitranon’ny mpampianatra... Ahitana “amphithéatre” lehibe ihany koa ary toerana fatorian’ny mpianatra. Efa vita tanteraka ary efa miandry ny fanokanana azy ny oniversitem-paritra ao Itasy. Hampiavaka azy ity ny fisian’ny sampam-pianarana vaovao hosokafana dia ny fizahan-tany, ny siansa momba ny ranomasina, ary ny siansa maha-olona. Mahazaka mpianatra 3.234 isa ity oniversite ity. Ny Oniversiten’Analanjirofo kosa dia ho vonona tanteraka ary ho azo tokanana manomboka amin’ny faran’ity volana martsa ity. Araka ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra dia hisantarana ny fiaraha-miasa amin’ny fanafarana ireo mpampianatra avy any ivelany, ireo oniversite roa vaovao ireo. Ny lalam-piofanana izay apetraka kosa dia natao mifandraika amin’ny seha-pihariana mitarika fampandrosoana eny an-toerana.

Lentam-pahaizan’ny mpampianatra

Etsy an-daniny efa miroso amin’ny fanamafisana ny lentam-pahaizan’ireo mpampianatra eny amin’ny oniversite ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, amin’ny alalan’ny fampiofanana eo amin’ny lafiny ara-pedagôjika, ny fomba fampianarana, ny fanaovana tombana ny fampianarana, ny fampidirana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny fampianarana, ary ny fitsipika ara-tandro hasina sy ara-moraly. Ny 76,14%-n’ny tanjon’ny fampiofanana napetraka, hotanterahina ao anatin’ny 100 andro, no efa tratra, ka mpampianatra 110 no efa vita fiofanana ho an’Itasy, 18 ho an’i Fianarantsoa ary 38 ho an’Analanjirofo. Ao anatin’ny 100 andro dia mpampianatra miisa 218 no kendrena ho vita fiofanana tanteraka. Ny hampiakatra ny kalitaon’ny fampianarana no tanjona amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo