• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Gsps Mada
Image
Vaovao

Ady amin’ny Sida : Hiara-hiasa ny SE-CNLS sy ny Fivondronan’ny Sehatra tsy miankina mahakasika ny Fahasalamana

14/03/2024 15:29 © Moov.Mg

Ady iombonan’ny rehetra ny ady amin’ny aretina VIH/Sida, antony iarahan’ny Komitim-pirenenena misahana ny ady amin’ny Sida (SE-CNLS) miasa amin’ny Fivondronan’ny Sehatra tsy miankina mahakasika ny Fahasalamana eto Madagasikara (GSPS Mada).

Tanjona 95%

Omaly no tontosa ny fanaovan-tsoania ny fiaraha-miasa teo amin’ny SE-CNLS sy ny GSPS Mada. Hiompana amin’ny fanamafisana ny ady amin’ny Sida ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Hiseho amin’ny endrika isan-karazany izany, toy ny fanofanana homena eny anivon’ireo ivon-toeram-pitsaboana tsy miankina. Eo ihany koa ny fanomezana fitaovana ho an’ireo tobim-pahasalamana tsy miankina, sy ny hetsika maro hafa. Tanjon’izao fiaraha-miasa izao ny hanatrarana ny vina napetraka : mba ho voatily ny 95%-n’ny olona mitondra ny tsimokaretina, mba hanaraka fitsaboana ny 95%-n’ny olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina VIH Sida, ary mba tsy hamindra ny aretina intsony ny 95%-n’ireo manaraka fitsaboana.

Ny tanora no betsaka

Paikady heverina fa hanampy amin’ny fampihenana ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH eto Madagasikara, ny fiaraha-miasan’ny SE-CNLS amin’ny sehatra samihafa. Tanora eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 24 taona no tena betsaka mitondra tsimokaretina izany, raha ny fampahatsiahivan’ny sekretera mpanatanteraky ny SE-CNLS, Randriantsara Haja. Tsy maintsy ferana ny fiparitahany ary atao izay tsy hampidangana ny isan’ireo olona tratry ny aretina. Efa nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa niarahan’ity rafitra ity tamin’ireo mpisehatry eo amin’ny fizahantany, ka fifanaraham-piaraha-miasa fanindroany ity iarahana amin’ny vondron’ny sehatra tsy miankina momba ny fahasalamana ity. Eny anivon’ny toeram-pitsaboana tsy miankina rahateo no tena anatonan’ny tanora, indrindra rehefa mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana, araka ny fanamarihan’ny Dr Barbara Rakotoniaina, avy amin’ny GSPS Mada.
Tohanan’ny Sampandraharaha Amerikanina misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID), ao anatin’ilay tetikasa FHM Engage, izao fifanarahampiaraha-miasa izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo