• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Mihari
Image
Vaovao

Tetikasa « Fanoro Vavy » : Vehivavy 20 isa no ofanina hahay hitantana ny harena an-dranomasina

14/03/2024 16:06 © Moov.Mg

Solontenan’ny vehivavy mpitarika miisa 20, misehatra amin’ny jono, ao amin’ny Faritra Boeny no miofana, mba ahafahan’izy ireo mampitombo ny fahalalany.

Miatrika ny fiovan’ny toetr’andro

Nisokatra omaly ity atrikasa fanofanana ity, tanterahina ao amin’ny Centre de développement de l’Aquaculture (CDA) Mahajanga ary haharitra 4 andro. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Fanoro Vavy » izao fiofanana izao. Ity tetikasa ity dia iarahan'ny tambazotra MIHARI, ny Nifin’Akanga ary ny Coalition des radios manatanteraka. Tanjona ny hanamafisana sy hampitomboana ny fahaizan’ny vehivavy miatrika sy mandray anjara amin'ny ady amin'ny fiovan'ny toetr'andro. Kendrena ihany koa ny fampivoarana ny maha-olona, mba ho tomponandraikitra feno amin'ny fitantanana mahomby ny harena an-dranomasina sy fampandrosoana eny ifotony ireto vehivavy ireto. Hisitraka fiofanana mikasika ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy, ny serasera ary ny rohim-pihariana ihany koa ireto vehivavy ireto.

Miaro ny ranomasina

Avy amin’ny fari-dranomasina tantanin’ny vondron’olona eny ifotony (LMMA), avy ao Mitsinjo, Antrema, Boanamary, Mahajamba ary Antsanitia izy 20 mirahavavy ireto. Raha hazavaina tsotsotra dia mponina amoron-tsiraka miaina amin’ny jono, amin’ny ankapobeny izy ireo, ka mandray ny andraikiny amin’ny alalan’ny fiarovana izany ranomasina izany sy ny manodidina azy. Ho fitantanana ireo LMMA dia mampiasa ny « dina », izay fitsipika nentim-paharazana sy ifanarahan’ny fiarahamonina izy ireo, mba hitantanana ny harena voajanahary amin'ny fomba mahomby. Aorian’ny fiofanana dia izy ireo indray no hizara izay fahalalana azony amin’ireo vehivavy eny ifotony. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fampiofanana, Ratsitohaina Lala Mihaja, Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Faritra Boeny. Ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara kosa no mamatsy vola ity tetikasa « Fanoro Vavy » ity.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo