• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Fiarahamonina : Mihamitombo isa ny vehivavy tsy maniry ny hanambady sy tsy te hiteraka

15/03/2024 15:02 © Moov.Mg

Mihamitombo isa ny vehivavy efa mihoatra ny 30 taona nefa mbola tsy manambady eto Madagasikara. Mihamaro ihany koa ireo misafidy ny tsy hiteraka, araka ny fanadihadiana nataon’ny ivon-toeram-pikarohana frantsay momba ny fampandrosoana (IRD).

Fiantombohan’ny fiovana

Renivohi-pirenena 3 aty Afrika no nanaovana ny fanadihadiana, dia i Lomé renivohitr’i Togo, Ouagadougou renivohitr’i Burkina Faso ary Antananarivo renivohitr’i Madagasikara. Nifantoka tamin’ireo heverina fa safidy tsy mifanaraka amin’ny fiarahamonina ity fanadihadiana ity. Ny momba ireo mpitovo efa be taona no isan’ny voaresaka ao voalohany. Hita tamin’izany fa ny 5%-n’ny vehivavy monina eto Antananarivo, ary efa mihoatra ny 30 taona, no mpitovo. Toy izany koa ny any Ouagadougou, fa mahatratra hatrany amin’ny 9% izany ao Lomé. Dingana iray lehibe tsy azo tsinontsinoavina izao tranga izao, hoy i Valérie Delauney, iray amin’ireo mpikaroka momba ny mponina ao amin’ny IRD. Nambarany fa manodidina ny 20 taona ny vehivavy amin’ireo firenena telo nanaovana fikarohana no miroso amin’ny fanambadiana. Tao anatin’ny 10 taona teo ho eo anefa, dia mihamihemotra ny fotoana hanambadian’ny vehivavy any amin’ireo firenena ireo, na fara-faharatsiny, ireo mponin’ny renivohitra. Raha toa ka fantatra fa miankina amin’ny ara-pinoana indrindra no anton’izany, ao Lomé, dia tsy mbola fantatra mazava kosa ny antony, ho an’Antananarivo. Mbola vao haingana loatra no nahatsapana izany fiovana izany, hoy i Valérie Delauney, nefa azo heverina ho fiantombohana fiovana lehibe izany.

Tratran’ny fanilikilihana

Ny momba ny safidy tsy hiteraka ihany koa no isan’ny vontoatin’ity fanadihadiana ity. Nivoitra tao anatin’izany fa ny 7% hatramin’ny 8%-n’ireo vehivavy mihoatra ny 40 taona, monina eto Antananarivo, any Lomé na any Ouagadougou, no nisafidy ny tsy hiteraka. Ratsy fijery ireo vehivavy sokajiana ho be taona nefa tsy manan-janaka anefa ny fiarahamonina, na vokatry ny safidy izany, na noho ny antony hafa. Amin’ny ankapobeny, manodidina ny 21 taona ny vehivavy no tokony hiteraka, raha ny fiheverna any amin’ireo firenena telo nanaovana ny fanadihadiana, hoy ireo mpikaroka. Araka izany, raha vao miala amin’io fenitra napetraky ny fiarahamonina io, dia lasa miharitra ny vavan’ny olona ary mitafy henatra mihitsy, eo anatrehan’ny havana sy ny manodidina. Tsy vitan’izany fa manilika azy ireo ihany koa ireo olona akaiky. Raha misy, ohatra, ny fanapahan-kevitra tokony horaisina, eo anivon’ny fianakaviana, dia tsy isan’ireo miady hevritra akory ireny olona ireny, satria heverina ho tsy matotra sady tsy manaja ny soatoavin’ny fianakaviana.

Tanjon’ity fikarohana nataon’ny IRD ity ny hampahafantatra ireo endrika fanilikilihana misy eo anivon’ny fiarahamonina, sy ny hanaitra ny sain’ny maro, mba hitondra fiovam-pihetsika ny fahalalana ny zava-misy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo