• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 11 hatramin'ny 17 marsa 2024

18/03/2024 05:43 © Moov

Moov Hebdo - Atolotra anao indray ireo vaovao nisongadina ny herinandro lasa teo, dia ny 11 hatramin'ny 17 marsa 2024

HCDDED # Fanendrena ireo mpikambana

Ny 11 marsa lasa teo no noraisin'ny Filohan’ny Repoblika ny didim-panjakana laharana faha 2024-467 tamin’ny 6 marsa 2024, nentina nanendrena ireo mpikambana handrafitra ny Filankevitra Ambony Miaro ny Demokrasia sy ny tany Tan-dalàna (HCDDED). Miisa 8 izy ireo.
Anisan'ireo voatendry tamin'izany Ranampy Gisèle, solontenan'ny Fiadidiana ny Repoblika. Andriamanantena Jean Marc kosa no solontenan'ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena misahana ny Zon'olombelona (CNIDH), Ranadialson Angelo no solontenan'ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) ary i Ramarosaona James no solontenan'ny Holafitry ny Mpanao Gazety.

OMDA # Nizara fisotroandronono

Niroso tamin'ny fizarana fisotroan-dronono voalohany ho an'ny taona 2024 ho an'ireo artista/mpamorona misotro ronono ny Office Malagasy du Droit d'Auteur (OMDA). Ny zoma 15 marsa lasa teo no nanatanterahana izany.
Mahatratra 162 moa ny isan'ireo mpandray fisotroan-dronono ao amin'ny OMDA ankehitriny. Feno 60 taona no mihoatra, 15 taona naha mpikambana ary 10 taona nisitrahana ny zon'ny mpamorona ireo mpanakanto sy mpamorona misitraka fisotroan-dronono ireo.

UNFPA # Ady amin'ny herisetra

"Championne de la lutte contre les violences basées sur le genre" i Mialy Rajoelina, vadin'ny filoham-pirenena. Ny UNFPA no nanendry azy tamin'izany anaram-boninahitra izany noho ny fahavononany sy fanoloran-tena manokana asehony amin'ny fampanajana ny zon'ny vehivavy sy hanohy ny ady amin’ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy sy ny mahavavy eto Madagasikara.
Niantso ireo tompon’andraiki-panjakana, ireo mpiara-miombon’antoka ary ireo mpisehatra rehetra ny tenany mba hiaraka hanafaingana ireo asa amin'ny fampanajana ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny hamongorana ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy sy mahavavy. Nampahatsiahiviny ihany koa fa apetraka ho laharam-pahamehana ny fizakan-tenan'ireo vehivavy, izay anisan'ny antoky ny fampandrosoana ny firenena.

PNUD # Manohana ny Fadintseranana Malagasy

Notanterahina ny talata 12 marsa lasa teo ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetik’asa fanohanana ny Fadintseranana malagasy, tao amin'ny Air Cargo Service ao Mamory Ivato. Maharitra roa taona ity tetik’asa tohanan'ny PNUD ity ary entina hanatsarana ny fahaiza-manao sy hametrahana ny mangaraharaha eo anivon’ny fikirakirana eo anivon’ny Fadintseranana. Anisan’ny tanjona napetrak’ity tetik’asa ity ny fampitomboana ny ny fidiram-bolam-panjakana, ny fanatsarana ny fanaraha-maso sy ny fitsiriana ireo entana mivoaka sy miditra ary ny fanatsarana ny fifandraisana ara-barotra ho an’ny malagasy.

UNOPS & Banky Iraisam-pirenena # Fitsidihana Ofisialy teny Iavoloha

Ny 15 marsa no nandraisan'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ireo solontena avy amin'ny UNOPS sy ny Banky Iraisam-pirenena, teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha. Fanintelony izao no nisy fihaonana niarahana tamin'ity vondrona ity hatramin’ny fiandohan'ity taona 2024 ity.
Misokatra amin'ny fiaraha-miasa marolafy ny Fanjakana Malagasy mba hanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana ny firenena. Nodinihina manokana nandritra izany fivoriana izany ny fiaraha-miasan'i Madagasikara miaraka amin'ny UNOPS mba hanafaingana ny fanatanterahana ireo tetikasa laharam-pahamehana eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana.

ONU # Fihaonana tamin'ny Praiminisitra

Teny amin’ny Novotel Alarobia no nifamotoana ireo solontenan'ny Firenena Mikambana sy ny Praiminisitra Christian Ntsay, ny 15 marsa lasa teo. Nifantoka tamin'ny fanazavana ireo laharam-pahamehan'ny fitondrana ao anatin'ny fampiharana ny Politika ankapoben'ny Fanjakana ny lahadinika izay mifandraika amin'ireo tetikasa hanampian'ny Firenena Mikambana an'i Madagasikara.
Tsapa nandritra ny fifampizarana fa tafiditra anatin'ny Tanjon'ny fandrosoana lovainjafy na ODD sy ny Programan’asa lasitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara ireo andry telo lehibe hiompanan'ny Politika ankapoben'ny fanjakana Malagasy ka vonona izy ireo hiara hiombon'antoka amin’ny fanantanterahana izany mba ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy.

METFP # Fiaraha-miasa amin'i Japana

Nandray ny masoivohon’ny firenena Japoney miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa ABE Koji, s'y ireo solontenan'ny JICA, ny Minisitry ny Fampianarana Teknika.
Ny resaka fampiofanana arak’asa ny tanora malagasy, indrindra amin’ny resaka harena ankibon’ny tany no tena nifantohan’ny diniky ny roa tonta. Hisy ny fametrahana fiaraha-miasa amin’ireo orinasa lehibe mpitrandraka harena ankibon’ny tany izay miasa eto amintsika mba handray hiasa avy hatrany ireo tanora izay hisitraka fampiofanana, rehefa vita izany.
Hanampy amin'ny fanarenana ireo fotodrafitrasa eo anivon’ny Minisitera toy ny LTP sy ny CFP izay maro fahasimbana ihany koa i Japana.

Mahamasina # Famindrana fibaikoana CEMA

Manana anjara toerana lehibe ny Tafika Malagasy dia ny fitandroana ny fandriam-pahalemana. Izany indrindra no hanatsarana hatrany ny rafitra sy ny fomba fiasa eo anivon'ireo vondrona fibaikoana filaminana isan-tokony. Notanterahina ny zoma 15 marsa lasa teo ny lanonana famindrana fibaikoana teo amin'ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika Malagasy (CEMA), teny amin'ny Kianja Barea Mahamasina. Ny Jeneraly Deramasimanjaka Rakotoarivelo Manantsoa moa no nandray ny fitantanana tamin'izany. Nanatrika ny lanonana moa ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian.

Taolagnaro # Fanampoizinana vokatry ny fihinana « poisson ballon »

Mpanjono miisa fito no tra-doza raha avy nihinana trondro iray atao hoe «botana » na “poisson ballon”, fantatra amin’ny anarana siantifika hoe « Arothron mappa ». Tao amin’ny Fokontany Ambinanibe, Kaominina Taolagnaro, Faritra Anôsy no nisehoan’ity tranga nampalahelo ity.
Lehilahy iray sahabo eo amin’ny 60 taona no maty tsy tra-drano teo amin’ny hoba, ny enina ambiny kosa dia noentina avy hatrany tao amin’ny hopital CHRR Amboanato. Tsy tana ihany koa ny amin'ny iray, ka dimy sisa no manaraka fitsaboana. Tsara ny manamarika fa ity karazan-trondro “botana” ity dia anisan’ireo trondro ao anaty lisitra voarara fa tsy azo hoanina mandavataona.

Nosy-Be # Fisamborana mpivarotra zava-mahadomelina

Miparitaka ao Nosy-Be ireo zava-mahadomelina mahery vaika. Izany indrindra no mahamailo ireo mpitandro filaminana any an-toerana. Voasambotry ny zandary ireo olona miisa 6 anatina tambazotra mpivarotra zava-mahadomelina atao hoe "haschich". Mbola nahatratrarana fatra misimisy teny amin'izy ireo. Ny iray amin'izy ireo dia teratany vahiny, maorisianina. Misy vehivavy moa amin'ireto mpamatsy zava-mahadomelina ny tanora ireto. Efa naiditra am-ponja vonjimaika ao Nosy Be izy ireo, mandrapahatongan'ny fitsarana azy ireo.

Ambatolampy Tsimahafotsy # Fomba fambolena PPC

Ny fomba fambolena PPC dia hahafahana mampitombo vokatra 5 hatramin’ny 10 heny noho ny fomba fambolena mahazatra eo amin’ny velaran-tany kely amin'ny voly an-tanety. Mampiavaka izany fomba fambolena izany ihany koa ny fiarovany ny fahasalaman’ny tany ary afaka anajonana tanteraka ny doro-tanety.
Ao Fierferamanga dia 624m² ny velaran-tany ilaina ahafahana mamelona ara-dalana tokantrano iray amin'ny alalan'ny fifandimbiasam-boly (rotation) toy ny vary, katsaka, soja ary legioma isan-karazany. Nitsidika ireo mpamboly sy ireo voly moa ny filoham-pirenena mivady, omaly 17 marsa.

Talata Volonondry # Fambolenkazon'ny Governemanta

Niara-nientana ny mpikambana ao amin'ny Governemanta tarihin'Andriamatoa Ntsay Christian, Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta androany, tamin’ny fandraisana anjara amin'ny famerenana an'i Madagasikara ho Nosy Maitso. Ny 16 marsa lasa teo no notanterahina teny amin'ny fokontany Ambohimahavelona, kaominina Talata Volonondry, ny fambolenkazo. Misy ny fifanarahana amin'ny kaomina sy fokontany hanaovana ny fanaraha-maso ireo hazo novolena mba hisian'ny vokatra tsara.
Io hetsika io moa no namaranana ny fotoam-pambolenkazo ho an'ity taona 2024 ity aty amin’ny afovoan-tany. Efa ho tapitra rahateo ny vanim-potoanan'ny fahavaratra.

Analanjirofo # Fampiofanana ireo mpisehatra amin'ny zava-kanto

Mpisehatra amin'ny zava-kanto sy mpianatra avy amin'ny oniversite miisa 40 no nahazo fiofanana avy amin'ny Le CEENTRE na ny 𝐶𝑒𝑛𝑡𝑟𝑒 𝑑'𝑒𝑥𝑐𝑒𝑙𝑙𝑒𝑛𝑐𝑒 𝑒𝑛 𝐸𝑛𝑡𝑟𝑒𝑝𝑟𝑒𝑛𝑒𝑢𝑟𝑖𝑎𝑡, mahakasika ny fandraharahana ara-kolontsaina, ny lafiny serasera sy ara-barotra ary ny fampivoarana ny maha-olona. Notolorana ny "𝘢𝘵𝘵𝘦𝘴𝘵𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯 𝘥𝘦 𝘧𝘰𝘳𝘮𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯 𝘦𝘯 𝘦𝘯𝘵𝘳𝘦𝘱𝘳𝘦𝘯𝘦𝘶𝘳𝘪𝘢𝘵 𝘤𝘶𝘭𝘵𝘶𝘳𝘦𝘭" tao amin'ny 𝑇𝑟𝑎𝑛𝑜𝑏𝑒𝑛'𝑛𝑦 𝐾𝑜𝑙𝑜𝑛𝑡𝑠𝑎𝑖𝑛𝑎 ao Fenoarivo Atsinanana izy ireo. Efa andalana moa ny fametrahana ny ivotoerana hiketrehana ny mpanankato sy ny asa-kanto (centre d'incubation) any an-toerana.
Hiparitaka amin'ny faritra hafa manerana an'i Madagasikara ny tetikasa PROM'ART tohanan'ny fandaharanasa UNESCO-Aschberg.

Angavokely # Mpianala 30 vita fiofanana

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy androany teny Soanala Ambatobe ny mpianala miisa 30 izay nahavita fiofanana nandritra ny 18 volana tao amin'ny CNFTF Angavokely. Hiparitaka eny anivon’ny Fitaleavam-paritra hanampy isa ireo mpianala eny anivon’ny Faritra izy ireo. Ny fandaharanasa PAGE2/GIZ, vatsian'ny BMZ, no nanao ny tan-tsoroka tamin'ny fanomanana ity fiofanana mitohy ity. Ny PAGE2/GIZ izay nanohana hatrany ny CNFTF Angavokely. Izany dia nanomboka tamin'ny PAGE1 izay namerenana ny fisokafan'ny ivotoerana.
Ankoatr’ireto mpiasa 30 hanaraka fiofanana ireto dia hisy mpianatra 30 hafa ihany koa horaisina hanampy isa azy ireo. Ny 15 martsa izao no fara-fandraisana ny antontan-taratasy hahafahana mifaninana amin’izany ka anentanana ireo te hitondra anjara biriky ho an’ny Firenena.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo