• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Pôlitika : 7% monja no tahan’ny vehivavy filohan’antoko eto Madagasikara

19/03/2024 11:08 © Moov.Mg

Tsy manavaka ny maha lahy sy ny maha vavy, eo anatrehan’ireo zo sy adidy maha-mpifidy sy maha-olompirenena milatsaka hofidiana, na ny lalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara, na ny Lalàmpanorenana malagasy. Hatreto anefa dia mbola vitsy ny isan’ny vehivavy tomponandraiki-panjakana ambony, ary tsy maro ireo vehivavy mpitarika antoko pôlitika.

Ambany ny taham-pandraisan’anjara

Amin’ireo Andrim-panjakana misy eto Madagasikara, dia ny Filohan’ny Repoblika sy ny Governemanta ; ny Antenimierampirenena ; ny Antenimierandoholona ary ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), dia ny Antenimieram-pirenena ihany no tarihin’ny vehivavy. Eo amin’ireo mpikambana anatin’ny Andrim-panjakana ihany koa dia mbola vitsy ny vehivavy : 17,9% ny vehivavy ao anatin’ny Antenimierampirenena. 9% ny ao amin’ny Antenimierandoholona, 27% ny ao anaty Governemanta. Ny hany ahitana vehivavy betsaka dia ny eo anivon’ny Fitsarana, satria 52% ny vehivavy mpitsara eto Madagasikara. Ao amin’ny HCC, izay ahitana olona 9, dia lehilahy ny filohany fa ny mpikambana kosa dia mizara ho lahy 4 sy vavy 4. Eo amin’ireo rafitra hafa dia mbola ambany tahaka izany ihany koa ny taham-pandraisan’anjaran’ny vehivavy, satria 3,2% ny vehivavy Sefo Fokontany, 5% ny Ben’ny Tanàna, 7% ny Mpanolo-tsain’ny tanàna.

Tsy matoky vehivavy ny olompirenena

Mbola vitsy ny vehivavy sahy mandray andraikitra eo amin’ny sehatra ara-pôlitika, noho ny antony maro, toy ny tahotra sao tsy hahaefa ny asany araka ny tokony ho izy, ny tsy fananana vola handoavana ny anto-bola sy hiantohana ny fampielezan-kevitra, ny tsindry avy amin’ny manodidina… Mbola masiaka fijery amin’ny vehivavy mirotsaka eo amin’ny sehatra pôlitika tokoa mantsy ny fiarahamonina no sady tsy matoky, nefa maro ny vehivavy malagasy no manam-pahaizana sy afaka mahavita. Mbola diso mifantsika ao an-tsain’ny Malagasy ny hoe : ny lehilahy no tokony manao pôlitika, hany ka tsy mazoto mifidy vehivavy ny olompirenena. Vokatr’izay, dia mbola ny lehilahy ihany no mitana ny andraikitra mpanapa-kevitra eo anivon’ny antoko pôlitika eto amintsika. Ny lehilahy, amin’ny ankapobeny, no mitana ireo toerana tena manan-danja, toy ny filoha, filoha lefitra, sekretera jeneraly, fa ny vehivavy dia atao sekretera. Matoa izay ny vehivavy filohana antoko, dia na izy nanangana, na izy nandova. 7% monja izy ireo, ao anatin’ireo antoko pôlitika maherin’ny 300 isa misy eto amintsika. Ny vehivavy sekretera jeneraly kosa dia any amin’ny 15%.

Manoloana izany dia manome fiofanana ireo vehivavy vonona hirotsaka amin’ny sehatra pôlitika sy handray anjara amin’ireo fifidianana ho avy ny fikambanana miady ho an’ny vehivavy, toy ny Vondrona MiraLenta ho an'ny Fampandrosoana (VMLF) sy ny Plateforme des femmes en politique de l'océan Indien (PFOI). Efa Faritra 7 izay no nanatontosan’izy ireo izany fiofanana izany, nanomboka tamin’ny volana desambra, fa ho voakasika avokoa ny Faritra 24.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo