• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Fokontany Ambodivonkely
Image
Vaovao

Mirongatra ny fanolanana : Vehivavy iray no hita faty teny Ambodivonkely Ambohimanarina

19/03/2024 13:17 © Moov.Mg

Vehivavy iray no hita faty teny amin’ny Tanimenabe eny Ambodivonkely Ambohimanarina androany maraina. Araka ny fanadihadiana voalohany dia naolana ity vehivavy ity ary novonoina avy eo.

Lalana mangina

Araka ny fantatra dia mpivarotra « caca pigeon » mandehandeha no asan’ity vehivavy ity, saingy tsy tonga nanatitra ny vola azo tamin’izany, toy ny mahazatra izy, omaly. Heverina fa omaly alina, na androany efa diva haraina, no nanamparan’ny olon-dratsy ny filàny tamin’ity tovovavy ity, saingy ny maraina vao hita ny razana. Tsy mponina eny amin’ny Fokontany Ambodivonkely Ambohimanarina moa izy, raha ny fanadihadiana, fa any Anosizato Ampitatafika no mipetraka. Efa nampitady azy ireo mpampiasa azy sy ny havany, ka tao anatin’ny tambajotran-tserasera Facebook no nahafantaran’ireto farany ny zava-nitranga, rehefa niparitaka tao ny sarin’ilay tovovavy. Misy lalan-kely mampifandray ny fokontany Ambodivonkely amin’Andohatapenaka, manaraka ny lakan-drano ary mangina io lalana io. Heverina fa nentin’ireo olon-dratsy avy any ilay tovovavy, ka izay no nahatonga azy teny Ambodivonkely.

Tsy mandry fahalemana

Arakaraky ny namoahana ilay lalàna manamafy ny sazy ho an’ny mpanolan-jaza, no toa vao mainka mampirongatra ity tranga ity tato ho ato. Tsapa ho mihamitroatra, vokatr’izany ny olona, raha ny fanehoan-kevitra hita any anaty tambajotran-tserasera. Misy mihitsy ireo mitaky ny hamerenana indray ny fanamelohana ho faty hatao imasom-bahoaka, mba ho fampitahorana ireo izay mikasa ny hanao zavatra mamohehatra sy feno habibiana tahaka izao. Etsy an-daniny, mbola mampiady hevitra ny momba ilay sazy famosirana, ho an’ireo mpanolan-jaza tsy ampy taona, izay heverin’ny an-daniny fa manampy amin’ny fampihenana ny trangana herisetra ara-nofo saingy tondroin’ny ankilany ho manitsakitsaka ny zon’olombelona. Ny iaraha-mahita aloha hatreto dia mirongatra izay tsy izy ny fanolanana ary tsy mandry fahalemana ny olona tratra hariva, na mandeha amin’ny lalana somary mangina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo