• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Mességué
Image
Vaovao

Hazo sarobidy nogiazana : Homena hampiasain’ireo mpanao asa tanana malagasy

19/03/2024 15:25 © Moov.Mg

Paikady telo lehibe no noraisin’ny ministeran’ny Fizahan-tany sy ny Asa Tanana, mba ho entina manatsara ity sehatry ity eto Madagasikara. Eo am-pametrahana izany paikady izany ity ministera ity ankehitriny, ka tafiditra ao anatin’izany ny fomba hampiasana ireo andramena (bois de rose) izay nogiazana.

Paikady telo

Nametraka paikady telo ny ministeran’ny Fizahan-tany sy ny Asa Tanana, mba ho fampiroboroboana ity sehatra ity. Voalohany amin’izany ny fomba hahazoan’ireo mpandraharaha ny akora fototra, izay olana matetika itarainan’ireo mpanao ny asa tanana malagasy, satria sady sarotra hita no lafo ihany koa. Ezaka hotanterahin’ny ministera, noho izany, ny hananganana foiben-toerana (central d’achat), izay hahafahan’ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny asa tanana mahita sy mividy izany akora fototra izany, ao anatin’ny fotoana maharitra. Efa hatsangana tsy ho ela ny voalohany amin’izany, raha ny fanazavan’ny minisitry ny Asa Tanana, Randriamandranto Joël. Asa faharoa hotanterahina, ao anatin’ilay paikady, ny fampiofanana ireo mpisehatry ny asa tanana, mba ho fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra sy ny tolotra omen’izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny fahaiza-manao eo amin’ny lafiny fandraharaharana, ny fahaizana manome endrika, ny fahaiza-mamorona… Ny fahatelo kosa dia ny fitadiavana lalam-barotra eto an-toerana sy any ivelany.

Hazo be mpitady

Fa isan’ny tetikasan’ny ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, izay iarahany midinika amin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ihany koa ankehitriny, ny fomba hahafahan’ireo mpanao asa tanana mampiasa ireo andramena nogiazana eto amintsika. Hazo sarobidy be mpitady eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny andramena, noho izy mafy sy maharitra no sady tsara endrika. Mihavitsy sy mihafongana hatrany anefa ity karazana hazo ity maneran-tany, ka mahatonga azy hosokajiana ho hazo sarobidy. Lafo vidy ihany koa izy, araka izany, ka azo heverina fa mbola handalo fandinihana sy dingana maro ny famoahana ny fanomezana alalana ho an’ireo mpanao asa tanana malagasy, amin’ny fitrandrahana azy ho lasa zavakanto.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo